Lundi 20 Octobre. Point de Presse de L. Ravalomanana dicté par les leaders ? Manif du GTT.

Lundi 20/10/2014

20:18 Politique : Les observateurs s’indignent du comportement des leaders pro-Ravalomanana. A ce stade de la crise, les responsables sont aux abonnés absents, les rues sont vides comme si de rien n’était ; malgré que le président Marc Ravaloamanana croupisse au fond d’un cachot

15:42 Politique : « Nous ne sommes pas un pays à exiler ou expulser ses propres ressortissants », ce sont les termes utilisés pas Henry Rabary-Njaka. A ce jour, ses intentions réelles restent floues, notamment du cas du président Marc Ravalomanana

15:34 Manifestation : Les élus TIM et de la mouvance Ravalomanana ont fui et se sont désolidarisés de leurs partisans samedi dernier alors qu’ils « bénéficient de l’immunité parlementaire »

14:10> Mouvance : Déclarations douteuses des leaders peureux et « fopla »

14:00 GTT Mangataka ny famotsorana ny filoha Marc Ravalomanana ny GTT teny amin’ny Trocadéo ao Parisy (Frantsa)

12:00> Faravohitra : Point de presse, Madame Lalao Ravalomanana en images (Voir aussi « rubrique » dernières images)

 

Info du 21/10/2014 :

10:52 Faravohitra : La famille Ravalomanana est prise en otage par les leaders de la mouvance. Le point de presse de Mme Lalao Ravalomanana a été dicté ?

Source, site Lalao Ravalomanana.

Conférence de presse Faravohitra, alatsinainy 20 oktobra 2014

Lalao Ravalomanana : « Tokana ny fahavalon’ny Malagasy dia ny fahantrana, fotoanana hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena izao ka aoka hifanome tanana ka hiasa miaraka toy ny mpirahalahy amin’izay rehetra mino ny fihavanana ary hitondra fampandrosoana ho an’ny firenentsika… »

 

Araka ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: « Miraisa saina ianareo rehetra, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindra fo, manetry tena ». Ankehitriny, fon-dReny no miteny. Amin’ny fo feno fahendrena sy fanetren-tena no hanaovako antso avo amin’ny :
  • fitondram-panjakana,
  • fiangonana,
  • fikambanana isan-karazany,
  • fianakaviam-be iraisam-pirenena, ary indrindra ny vahoaka Malagasy rehetra tsy misy ankanavaka.

Fotoana izao hirosoana amin’ny:

  • Fifanantonana,
  • fifampiresahana,
  • fifanajana amin’ny Malagasy samy Malagasy.
  • Fotoana ihany koa, hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena.

Isika Malagasy rehetra dia samy manaja ny soatoavina Malagasy, dia ny Fihavanana izany. Ary mametraka ny tombotsoam-pirenena mialohan’ny zava-drehetra.

Tokana ny fahavalon’ny Malagasy, dia ny fahantrana izany. Ka hifanome tanana isika, ka miara miaraka tahaka nympirahalahy, na amin’iza na amin’iza, amin’izay rehetra mino ny Fihavanana Malagasy, ary hitondra fampandrosoana amin’ny tanintsika sy Firenentsika.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra

 

Mangataka ny famotsorana ny filoha Marc Ravalomanana ny GTT

 

Tonga an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana tamin’ny alatsinainy 13 oktobra rehefa avy narirariran’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay tokony hanatanteraka ny tondrozotra. Azo lazaina izany fa izy tenany no nahatanteraka ny artikla 20.

Na dia efa tafaverina aza izy dia mahatsiaro ny GTT fa mbola mitohy ny tolona satria dia nanaovana antsonjay ny Filoha Ravalomanana raha tonga hitondra filaminana sy fihavanana ary fampandrosoana. Herisetra sy tranomaizina no nasetrin’ireto mpitondra izany ary fitairanana tamin’ireo vahiny.

Ankoatran’ny fisamborana ankerinyy sy ny fanagadrana tsy ara-drariny izay melohinay tanteraka dia mampitebiteby anay tokoa ny toe-pahasalamana sy ny ain’ny Filoha Ravalomanana izay toa ataon’ireto mpitondra ho kilalao. Tsy rariny izany ary tokony hijoro izay rehetra tsy mankasitraka izany.

Ny GTT dia manohy ny tolona ka amin’izao toe-javatra izao dia :

–       Nandefa taratasy tamin’ireo fikambanana misahana ny fanajana ny zon’olombelona ary manana tarikasa miaraka amin’izy ireo.

–       Nanao fotoam-bavaka indroa tao anatin’ny herinandro ary mbola hanohy izany.

Misy ny hetsika lehibe izay ho karakaraina fa eo ampikarakarana izany dia naneho ny firaisampony tamin’ny Filoha Ravalomanana ny mpikambana vitsivitsy teo amin’ny Parvis des droits de l’homme.

Gasy Tia Tanindrazana

 

 

 

Lien : Lalao Ravalomanana

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s