HETSIKA PARIS-Trocadero. Asabotsy faha 15 Novambra. Sary MCM de Paris, fanohanana ny filoha Ravalomanana.

Sary MCM de Paris. Trocadero. 15 Novembre 2014.

MIARAKA AMINY FILOHA RAVALOMANANA.

30 andro izao no nitazomana ny Filoha Ravalomanana  rehefa nalaina ankeriny tao an-tranony izy ny andro nahatongavany tao Madagasikara. Ankehitriny dia tsy mahazo mamangy azy na ny fianakaviany na ny mpisolovavany. Rehefa nilaza ny fitondrana fa ho fiarovana azy no hitazomana azy dia mahatalanjona fa nasaina notsarain’ny tribonaly tampoka teo izy, hitadiavana antony hafa hitazomana azy. Ny  nisidinany an’i Madagasikara tsy nahazo alàlana indray angaha hono. Fiheverana ny malagasy ho bado izany fihetsika izany. Rehefa nandà ny hitsara azy ny tribonaly tany Antsiranana dia eo ampitadiavana hevipetsy indray izy ireo ankehitriny. Izany dia entina hilazana amintsika fa tsy misy finiavana na kely aza ao amin’io fitondrana io hampilamina ny firenena fa ny hanagadra ny Filoha Ravalomanana no programan’asany. Etsy andaniny ireo olona 5 hafa izay tsy hita ihany koa izay antony nisamborana sy nanagadrana azy ao anatin’izao raharaha izao. Verezin-jo koa izy ireo amin’ny fiarovana azy. Ny fampijaliana (tortures) dia manginy fotsiny !

Te-hitroatra mafy ny vahoaka saingy ampihorohoroina :

Ny mpanolotsaina manokan’ny fitondrana moa dia mandrahona hamono izay rehetra mitady hanao hetsika ary mamory jiolahy hanao izany. Ny « mpahay lalàna » eo anivon’ny fitondrana dia lohalaharana amin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny lalàna eo amin’ny firenena. Ny filohan’ny governemanta miriharihafinaritra miaraka amin’ny dahalo. Mila mahafantatra izany izao tontolo izao.

Ireo mpanome baiko ho fiarovana ny tombotsoany manokana dia efa tsy miafina intsony. Ao koa ireo liandrà hatrizay ka hatramin’izao ka manao sinema isan-karazany.

Koa izaho, ianao Malagasy izay afaka mitondra ny feon’ireo vahoaka ireo manoloana izany rehetra izany dia antsoina haneho izany ny sabotsy izao eo amin’ny Parvis des droits de l’homme hanao SIT-IN : mipetraka na mijoro mitondra sorabaventy milaza izany rehetra izany. Izay fotsiny no angatahina amintsika. Hangatsiaka ny andro nefa heverina fa zava-poana izany miohatra amin’izay manjo ny malagasy sy ny Filoha Ravalomanana. Manana fitaovana hisoroahana izany koa isika. Ora iray no hanaovana izany.

Koa manainga antsika mavesatra hanao izany hetsika izany raha izay no ahafantaran’ireo mpitondra ny kiakan’ny vahoaka izay gejainy ankehitriny.

Raha afaka manao hetsika toa izany ianareo any amin’ny faritra dia soa koa.

Dia manantena ny fahatongavantsika ! Aza adino ny pancarte

Sary Hetsika Trocadéro  t@ 15/11/2014.

http://gtt-international.blogspot.fr/2014/11/manifestation-pour-madagascar-paris.html

https://www.facebook.com/mcmparis87

http://youtu.be/A9mGTL2K6hw

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s