Foto-kevitra KMSB, horon’ampeo, sary. Hetsika Ambohijatovo (17/11/2014).

Ny MCM-Paris « Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris » dia manohana ny foto-kevitry ny KMSB.

Horon’ampeo Kmsb, 17/11/2014. http://dk1.ti1ca.com/get/79.94.6.30/uo56xm1t/vif_02_141117_Feon’ny%20vahoaka_Vahiny%20Liva.mp3

Sit-in” teo Ambohijatovo ireo mambra vitsivitsy ao amin’ny KMFB sy ny JMM

Lien : Lalao Ravalomanana.

 Amin’ny endriny maro no anehoan’ireo vahoaka mpomba ny filoha Marc Ravalomanana ny fitakiana ny famoahana azy. Anio Alatsinainy 17 Novambra dia nanantanteraka “Sit-in” teo Ambohijatovo ireo mambra vitsivitsy ao amin’ny KMFB sy ny JMM, alohan’ny nihazoan’izy ireo an’Analakely.

Fikambanana samy ao anatin’ny vovonana miaro ny foto-kevitra fampandrosoana nentin’i filoha Marc Ravalomanana moa ny KFMB sy ny JMM. Tsy miaro tsangan’olona akory izahay hoy izy ireo, fa miaro kosa ny foto-kevitra fampandrosoana izay nentin’i filoha Marc Ravalomanana. Maro ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna izay hita teo amin’ny nisamborana azy, fa indrindra ny fanagadrana ity filoha teo aloha voafidim-bahoaka ity…

Raha tena hiroso amin’ny fampihavanana marina hoy izy ireo dia tsy maintsy avoaka aloha ny filoha Marc Ravalomanana. “Avelao izy hody ao an-tranony ka hiaina malalaka toy ny olom-pirenena Malagasy rehetra, izay vao azo hirosoana ny fampihavanam-pirenena tena izy…..” Farany dia ny FFKM izay vondron’ny mpitondra fivavahana ihany hoy izy ireo no azo hinoana fa hitondra sy hitarika ny fampihavanana tsy misy fitanilàna. Mpisandoka sy efa manana fironana avokoa ireo hafa milaza hanao izany fampihavanana izany ankoatran’ny FFKM. Tsy azo inoana fa hahavita io fampihavanana io ireo fikambanana nosafidiana sy napetrak’I Rajoelina ary mpanatontosa ny baikon’izao fitondrana kaboraraka ankehitriny izao toy ny FFM.

 

 

Famotsorana an’i Marc Ravalomanana Nihetsika teny Ambohijatovo ny KMFB sy ny JMM

18/11/2014

Miha mitombo ihany ireo hetsika fitakiana ny famotsorana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana . Nisy omaly Alatsinainy 17 novambra ny fihetsiketsehana na karazana “Sit-in” teo Ambohijatovo sy Andohan’Analakely notanterahan’ireo mpikambana avy ao amin’ny Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka na KMFB sy ny JMM

. Fikambanana samy ao anatin’ny vovonana miaro ny foto-kevitra fampandrosoana nentin’ny filoha Marc Ravalomanana izy roa ireo. Tsy miaro tsangan’olona akory izahay, hoy izy ireo, fa miaro kosa ny foto-kevitra fampandrosoana izay nentin’ny filoha Marc Ravalomanana. Maro ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna izay hita teo amin’ny nisamborana azy, indrindra ny fanagadrana ity filoha teo aloha voafidim-bahoaka ity. Raha tena hiroso amin’ny fampihavanana marina isika, hoy ny KMFB sy ny JMM dia tsy maintsy avoaka aloha ny filoha Marc Ravalomanana. “Avelao izy hody ao an-tranony ka hiaina malalaka toy ny olom-pirenena Malagasy rehetra, izay vao azo hirosoana ny fampihavanam-pirenena tena izy…..” Farany dia ny FFKM izay vondron’ny mpitondra fivavahana ihany hoy izy ireo no azo hinoana fa hitondra sy hitarika ny fampihavanana tsy mitanila. Mpisandoka sy efa manana fironana avokoa ireo hafa milaza hanao izany fampihavanana izany ankoatry ny FFKM. Tsy azo inoana fa hahavita io fampihavanana io ireo fikambanana nosafidiana sy napetraka ny tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina ary mpanatontosa ny baikon’izao fitondrana kaboraraka ankehitriny izao fotsiny. Nokianin’ny KMFB sy ny JMM mafy ny filankevitry ny fampihavanana malagasy izay amin’izy ireo dia tsy atokisana fa hahavita an-tsakany sy an-davany ny fampihavanam-pirenena tena izy. Tia Tanindrazana

http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,833331

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s