Fianarantsoa sy Hery (21/11/2014). Fafy lainga hatrany ka tsy rototra ny mponina.

 

 
Tsy rototra amin’ny filoha Rajaonarimampianina ny mponina:
Leo amin’ny fampiesonina sy bala-roa ny olona!Ny fomba amampanaon’ireo filoha teo aloha no tohizany filoha Hery Rajaonarimampianina. Rehefa miseho ny olana dia mandeha mitsangatsangana manerana ny nosy. Omaly ihany, taorianan’ilay dia nataony tany ivelany dia tonga nitsidika renivohitry ny faritany Fianarantsoa ny tenany. Te hampiseho fa mamim-bahoaka dia nomena torimarika ireo tompinandraikitra tany an-toerana mba ho fitsenana mitalakotrokotroka no handraisana ny filoha.
Nomena baiko ireo sampandraharaha rehetra mba ho feno tomenitra olona ny làlana rehetra izay ho lalovany. Akory anefa ny hagagana fa tsy namaly izany antsoantso natao tamin’ireo haino aman-jery isankarazany tany an-toerana ny mponina. Voatery ireo mpianatra tsy mbola vory saina tany an-tsekoly no navoaka sy nasaina nanofahofa ny sainam-pirenena ho fanomezam-boninahitra ny vahiny manan-kaja.
Mbola mihevitry ny manao fampielezankevitra ihany ny filoham-pirenena. Fitokanana ivon-toern’ny fampianarana ambony no isany notanterahin’ny tamin’izany. Ireo mpanakanto maro no nanentana sy nanafana ny lanonana nefa tsy naharototra ny vahoaka hanotrona ny filoha izany. Kivy amin’ireo fafilainga sy fampiesonina ve ny mpiray tanindrazana?
Lire la vidéo

Tsy menantra mampiesona ny mpitondra:
Sahy mitokana toha-drano efa nisy an-taonany maro!

Lany henatra ny mpanao politika eto amintsika tsy miafina intsony fa sahy manodindresaka sy manao kobaka am-bava tsotra izao eo imasom-bahoaka. Tsiahivintsika fa tany Andapa nitokana ny fanarenana tohadrano tamin’iny herinandro lasa iny ny filoha Hery Rajaonarimampianinana. Nasehon’ireo haino aman-jery misy eto amintsika ny fanambarana miezinezina nataony nandritry izany. «20 taona sa 30 taona no niandrasanareo an’izao, vetivety kely fotsiny dia tanterakantsika ny asa. Izany ny fanamby lehibe izay efa nataoko sy mbola hataoko, ary mbola teneniko aminareo androany satria hampandroso ity firenentsika ity isika. Fampandrosoana fototra no entintsika, fampandrosoana hiteraka asa ho anareo vehivavy, ho anareo mpamokatra, ho anareo tanora. Fampandrosoana hiteraka vokatra, satria hitombo ny vokatra». «Sahiko ny milaza fa ho resintsika ny fahantrana!» Ireo sombiny kabary nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nentiny nilazana fa miasa ny fitondrana.

Toy ireny pasitera mpitoroteny ankalaman-jana ireny hoy ireo olona nanatri-maso ny filoha Hery Rajaonarimampianiana tsy menantra mampiesona ary faly manatavy resaka. Nandeha tokoa ny takoritsika ka hoy ny sasany manao hoe: tsy maintsy mandainga ve ny mpitoriteny raha sendra mikabary? Araka ny loharanom-baovaoa avy amin’olona any an-toerana dia tohadrano efa nisy hatramin’ny taona maro ity tohadranon’ny Ankiabe any Andapa ity fa tsy hoe zavatra vao naorina hatramin’ny naha filoham-pirenenana Hery Rajaoanarimampianiana izany. Famatsiam-bola avy tamin’ny Banky iraisam-pirenena no nanantontosana ny fanarenana azy. Tsy manana vokatra mivaingana azo tsapain-tanana ny mpitondra dia manararaotra ny foto-drafitr’asa vitany sasany entina hilazana fa miasa ny fitondrana

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s