Toamasina – Andranomadio… tondra-drano, fako, Barikadimy, Fampihavanam-pirenena, Miaramila, Fanambarana-CRAM.

Toamasina-Andranomadio sy ny manodidina, Valpinson, sns…. Mahari-pery ny mponin’i Toamasina. Efa roa herin’andro mahery no miaina ao anaty rano… maloto. Izay tafiditra any an-trano ka mitondra aretina isan-karazany. Tsy miteny, tsy mivolana, asa zatra miaritra ! Ireo ny sary androany (27/02/2015). Betsaka ny vokatra ratsy ara pasalamana (tazo, aretina-tongotra, marary andoha na kibo, ny parasy kankana, olapotaka…).  Misy koa ireo marefo izay nodimandry. Eo ny faharatsian’ny lalana, izay tsy voakarakara ka miangona ny rano, fa ny mpitondra mihintsy no tsy hita eo aminy lafiny rehetra : Fanaraha maso ny tanana sy ny mponina, fanampiana ny tra-boina, tsy misy teny fampiononana avy aminy manampahefana. Toa fo vato na lasa toe-tsaina biby… ny olom-belona sasany. MCM de Paris. 

Ny ankizy sy ny mpiasa mody.

Sary Eliette R. (MCM de Paris).

———————————–

TOAMASINA – La moitié de la ville du Grand port sous les eaux.

09.03.2015
Les villes ont montré leurs limites après les pluies incessantes. L’inondation subie
par la cité des Mille se déplace vers la commune urbaine de Toamasina, depuis vendredi.

Depuis vendredi, les habitants de la ville de Toama­sina vivent un cauchemar. L’eau est montée jusqu’aux genoux à l’intérieur de maisons. « Actuellement (hier), l’eau commence à se retirer petit à petit. Toutefois, la moitié de la ville reste inondée. Les 95% de la commune urbaine de Toamasina, se trouvaient sous les eaux, samedi », a relaté George Randriafiakarana, un habitant du quartier d’Ambalamanasa, hier. À l’entendre, tous les quartiers n’ayant pas bénéficié de curage des canaux d’évacuation d’eau comme Andranomadio, Tanambao I et II, Morarano, Ambalamanasa, Ambala­kisoa, Ankirihiry, Analam­boanio et Salazamay, se trouvent sous les eaux. « Il y a même une station de radio qui a suspendu ses émissions, à cause de cette montée des eaux. Les journalistes se plaignent de ne pouvoir y accéder», enchaîne George Randria­fiakarana. Chaque quartier tente ainsi de faire sortir les eaux sur son territoire, au risque de créer une tension sociale. Le principal appel lancé par les habitants est ainsi que les autorités mènent des grands travaux de curage des canaux dans cette ville du Grand port.

Obsession

« La haute intensité de main d’œuvre ne suffit pas pour résoudre nos problèmes. Après un bref curage des canaux, les gens continuent à y déverser leurs ordures. L’autre problème est l’existence de constructions illicites au-dessus des canaux d’évacuation d’eau », a interpellé une mère de famille à Ambala­kisoa.
Cette mère de famille a félicité la remise de don de dix tonnes de riz effectués par le gouvernement, mais, interpelle un début d’action concrète. « Le plus urgent aujourd’hui en plus de la distribution des dons, est le curage des canaux et la démolition des constructions illicites. Si aucune action n’est menée et que la pluie continue, nous ne trouverons plus aucun lieu pour nous réfugier », enchaîne toujours la mère de famille.
À l’entendre, sa ville vit le même cauchemar que la commune urbaine d’Anta­nanarivo actuellement. Une source auprès de la commune urbaine de Toamasina a toutefois indiqué qu’un travail de sensibilisation va être entamé aujourd’hui pour inciter les gens à préserver les infrastructures publiques. « Nous demandons un conseil de gouvernement ou des ministres spécial à Toamasina pour résoudre une fois pour toute les problèmes minant la ville de Toamasina.» a lancé la source.

Vonjy Radasimalala

————————————-

Fako – rano miandrona – delestazy Ahiana hikorontana indray i Toamasina

02/03/2015 Madagascar Démocratie (FB).

Manomboka miakatra ny feo ho an’ny vahoakan’i Toamasina amin’ny zavatra iainany andavanandro tato ho ato izay. Voalohany amin’izany ny loton’ny Tanàna amin’ireo fako mameno ny arabe sy tatatra rehetra ary ny tsena goavana na ireo madinika. Sady tsy misy mpiraharaha ny fako no mitondra fofona tsy laitra

iainana, ka mahatonga aretina maro ka anisan’ireny ny tazon’ny tefoedra, manginy fotsiny ny sery sy ny soritr’aretina “Dengue” tsikaritr’ireo mpitsabo. Faharoa izay manampy trotraka ny fisian’ny fako, ny rano miandrona noho ny fiavian’ny orana saika isan’andro tapa-bolana izao. Dibo-drano avokoa ireo faritra iva, anisan’ireny ao Andranomadio – “Cite Haras”, ny ao Mangarano, ny ao Ambalamanasy, Ambohijafy – Salazamay, ary ny ao Ambalakisoa – Morarano. Ny fahatelo izay nanomboka nahazo vahana ihany koa taorian’ny fanovana mpitantana teo anivon’ny Jirama Toamasina, ny fahatapahan-jiro izay saika isan’andro ary maharitra ny firehetana noho ny fahafatesany. Saika ny 80%-n’ny fokontany dia miaina izany avokoa tato ho ato izay, ka zary nampirongatra ny fanafihana mpivarotra mandritra ny fahatapahana. Omaly izao dia resaka sonia taratasy hahafahana maka solika avy amin’ny minisitry vola sy ny fitantanam-bola no nanapaka ny jiro tao Toamasina. Ny toe-javatra toy izao no nampisy ny sakoroka tao Toamasina farany teo, koa hahiana indray izany izao.

——————————

Mpianatra tao Barikadimy Lasa jiolahy sy mpisoloky gaigilahy

02/03/2015
Ela nitoratorahana sy ela nanaovan-dratsy ingahy Ramanoherinjara Ernould 25 taona, ka saron’ny polisim-pirenena tao Toamasina ihany. Mpianatra tao amin’ny sampana fitantanana nijanona taona faharoa tao Barikadimy izy, izao lasa jiolahy mpitam-basy sy mpisoloky gaigilahy ary mpanao hosoka ara-taratasy izao.

Resaka fihazonana basy PA no nisamborana sy nisavana ny tranony raha nahazo vaovao tamin’ireo olona tsara sitrapo ny polisy. Nandritra ny fisavana natao anefa no nahitana fa manana kara-panondrom-pirenena 4 be izao ingahy Ramanoherinjara Ernould, ny roa vita teto Antananarivo, ny roa ambiny kosa hosoka izay mitondra ny laharan’Antsiranana sy Toamasina. Mbola nahitana karatra fanamboarana kara-panondro virijiny koa tao aminy. An-kilan’izay, nahatrarana diplaoma na “licence en gestion” hosoka koa tao aminy izay nangalarany ny sonian’Atoa Horace Gatien filohan’ny oniversite tamin’izany fotoana izany. Teo koa ny pasipaoro Malagasy izay hosoka ihany koa saingy nahafahany nivoaka nankany Thailand ny 01 febroary 2014, izay tsy nisy nahatsikaritra na ny polisin’ny sisin-tany Malagasy na ireo Thailandais. Ankoatra izay, dia efa nokarohina mikasika ny fanafihana magazay na jirofo tao Toamasina koa ity tovolahy ity, saingy afa-nitsoaka hatrany nefa ny fikarohana azy tsy foana eo anivon’ny polisy ao Toamasina. Efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ny tenany, izay henjehin’ny fitsarana amin’ny fanaovana sy fampiasana hosoka, fihazonana basy tsy nahazoana alalana, ary fanaovana fikambanan-jiolahy tao Toamasina.

——————————

Zanak’i Dada Toamasina : Entamer la réconciliation au sein de la mouvance Ravalomanana

Rencontre des « Zanak’i Dada » au Magro Tanambao V, à Toamasina.
Rencontre des « Zanak’i Dada » au Magro Tanambao V, à Toamasina.

Etre modèle dans le processus de réconciliation  nationale. C’est l’exemple que le « Firaisan-kina Zanak’i Dada » a démontré durant le week-end dernier, à Toamasina. Divers entités et/ou tendances politiques se sont retrouvées, ainsi au Magro Tanambao V, autour d’un « nofon-kena mitam-pihavanana ». Une cérémonie de présentation de voeux de nouvel an à marquer d’une pierre blanche dans la mesure où bon nombre de belligérants des précédentes crises politiques se sont retrouvés autour d’un seul et unique menu traditionnel local. « Nous enclenchons le fampihavanana au sein de la mouvance Ravalomanana, les Zanak’i Dada en premier lieu pour faire tâche d’huile au niveau de la communauté tamatavienne dans le but de réussir une vraie réconciliation au niveau de la région Atsinanana », a martelé Rakotoarimanana Justin dans son allocution. Notons que ce dernier avec Naina et Aimé ont toujours animé la réunion au Magro Tanambao V, depuis le retrait d’un certain nombre de leaders du mouvement « mody Dada ». Ce dirigeant de « Zanak’i Dada » de conclure que « les partis au sein de la mouvance Ravalomanana ont buté contre des embuches et des entraves. Les membres restants se sont donné la main visiblement en guise de solidarité avec l’ancien président Ravalomanana. C’est ainsi que nous avons opté pour le « Firaisan-kina Zanak’i Dada », et ce, dans le sens de la réconciliation nationale ». Un rassemblement, voire une entente, a été ainsi mené, à la veille de la rencontre régionale sur le fampihavanam-pirenena dans la région Atsinanana.

Midi Madagasikara

———

Il vit 40 ans avec une tumeur de 16 livres au visage

18 Février 2015

Pendant 40 ans, Sambany a porté deux fois le poids de sa tête sur ses épaules, mais grâce à l’équipe de médecins bénévoles du bateau-hôpital Mercy Ships, cette énorme masse qui pendait sur le côté gauche de son cou et de son visage est disparue.

Sambany habite Madagascar et dès qu’il a su que l’organisation humanitaire Mercy Ships était de passage, il a marché pendant trois jours en compagnie de son petit fils pour se rendre jusqu’au port de Toamasina, où le bateau-hôpital avait jeté l’ancre, rapporte le Daily Mail. Et heureusement pour lui, ses efforts ont été récompensés!
Sambany sur son lit d’opération. / www.madaplus.info
Sambany sur son lit d’opération. / www.madaplus.info

Après avoir subi une multitude d’examens médicaux, l’homme a été opéré afin de retirer cette tumeur dont le poids excédait 16 livres. Selon les médecins, cette chirurgie, qui a duré 12 heures, constitue le retrait de la plus grosse masse qu’ils aient réalisé en 30 ans.

«Je suis vraiment heureux, juste heureux! Je sais que sans cette opération, j’allais mourir bientôt. Je sais qu’il y avait des risques que je meure pendant l’intervention, mais je ne me sentais déjà plus en vie à l’intérieur de moi, vu la manière dont les autres me traitaient», a confié le grand-père.

Le Dr Michael McBrien et Sambany. / www.madaplus.info
Le Dr Michael McBrien et Sambany. / www.madaplus.info
Selon le Dr Michael McBrien, anesthésiste britannique présent lors de l’impressionnante chirurgie, il s’agit d’une intervention «presque incroyable, considérant l’âge du patient et la grosseur de la tumeur».

«C’est fantastique de voir qu’on a pu faire tout ça sur un bateau amarré au port de Toamasina. C’était une merveilleuse expérience», a-t-il confié.

Vu l’importante opération qu’il a subie, Sambany devra passer les prochains mois sur le navire-hôpital afin de reprendre des forces.

Source : tvanouvelles.cahttp://www.madaplus.info/Il-vit-40-ans-avec-une-tumeur-de-16-livres-au-visage_a9496.html

———————————

  CRAM

CERCLE DE REFLEXION POUR L’AVENIR DE MADAGASCAR

“MANANGANA HO AN’NY TARANAKA FARAMANDIMBY ISIKA FA TSY HANDRAVA INTSONY NO ANTOKY NY FIADANANTSIKA”

FANAMBARANA

Ny mpikambana amin’ny Birao nasionalin’ny CRAM dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny mpiray tanindrazana manana fianakaviana maty nirodanan’ny trano. Manankahery ireo olona valo arivo voatery nandao ny trano fonenany nohon’ny fiakarana’ny rano vokatry ny rotsak’orana ka nahavaky ny fefiloha miisa telo. Ny fisian’ireo trano na rary vato sy tamboho nianjera ka nitera-pavohazana ho an’ny tompony sy ny mpiara-monina.

Mitaky fiaraha-mientana izany indrindra fa avy amin’ny tafi-bahoaka. Miaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo ka heverina fa rariny sy hitsiny ny miaramila raha mandray anjara feno amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fanalana ny rano tany, ny fanomezan-tanana ny mpamonjy voina sy trano may (pompier) amin’ny fampitanana ny vahoaka difotry ny rano, ny fiarovana ny trano na sekoly hametrahana ireo mpiray tanindrazana traboina.

Maneho fisaorana feno ny « pompier » amin’ny ezaka manokana izay ataon’izy ireo.

Ho an’ny tanindrazana sy fitiavana ny mpiray tanindrazana.

Alasora, faha 27 febroary 2015

JOEL HARISON Marie René
Président CRAM

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire