Fisaorana feno ho anareo mpamaky. Plus de 100 100 vues.

Miarahaba finaritra tompoko.

Ny 16 Febroary, taminy taon-dasa (2014) ny lahatsoratra voalohany, navoaka teto aminy trano-kalan’i MCM de Paris.

Herin-taona mahery kely taty aoriana, dia feno 100 100 mahery, androany,  ny famakiana ireo karazan-dahatsoratra (100 100 vues).

Raha atao bango tokana dia ny momban’ny Andramena (Bois de rose) no betsaka mpamaky. Ny manaraka dia mikasika ny raharaha 26 Janvier, 7 Février ary ny 17 Mars 2009. Ny Fanongana-mpanjakana izany. Ny nahasarika ny maro koa dia ireo lahatsoratra mikasika ny « îles éparses », ny fanagejana ataon’ny frantsay (Françafrique), ny teratany karana izay kalaza aminy fangalarana (tany, volamena, sns…), eo koa ny sinoa… Bois de rose, vatosoa ary raharaha maizina sy tsy mazava ataon-dry zareo. Izay vao mivantana any amin’ireo mpanao politika malagasy sy ny toetra ratsy mibaribary ataony sasany, ny mpamaky. Maro ny laha tsoratra nahasarika, indrindra momban’ny Fahantrana, ny lalana, ny jiro, ny rano, ny kere. tao koa ny valala. Na koa ireto loza toy ny aretina mahafaty (pesta, choléra…) ny farany sy mbola mitohy dia ny Tondra-drano sy ny fiatraikany eo aminy fihainany daholobe (Toamasina). Tsy adino ny raharaha mahamenatra, izay namoizana aina maro be tany Atsimo : dahalo sy Zandary, izay samy nahavanon-doza daholo (nandoro tanana sy namon’olona aman-jatony).

Ny lahatsoratra momban’ny Fihavian’ireo razan-tsika (Nos origines linguistiques et culturelles. De Sumer à Madagascar) dia tena betsaka no liana (miandry blogy vaovao anefa fa manjary mifangaro be ato). Ka hialana tsiny.

Ary farany, na dia tsy miafina aza ny fiarovanay ny filoha, Andriamatoa Ravalomanana, sy ny fianakaviany, ny hezaka natao mba hanazavana koa ny tsy maintsy hiverenana aminy Fitondrana madio, tan-dalàna, dia tsy nisy teny ratsy na ompa, araky ny mahazatra eny aminy serasera isan-karazany (forum), ka dia hisaorana ny tsirairay.

Ny Firenena erak’izao tontolo izao dia nandalo tato daholo, fa ny maro mpamaky dia ny tany betsaka malagasy (Madagasikara, Frantsa, Canada, Allemagne, Etats Unis, La Réunion, sns…

Mamerina ny Fisaorana Tompoko.

MCM de Paris. 7 Mars 2015

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s