21/03/2015. Kianja Magro-Behoririka, fahatongavan’ny filoha Ravalomanana : « Atsahatra ny Hetsika » hoy izy. Video.

 Marc RAVALOMANANA Ela ny ela fa tonga soa aman-tsara manatrika sy mitsidika ireo vahoaka mpitolona sy mpanohana azy eo amin’ny kianja MAGRO Behoririka ny Filoha Marc Ravalomanana amin’izao ora izao (15h 21 Mars 2015).
—-

Sary Tim Madagascar.org (6)

2103 SITE WEB, bmsbti7.jpg – ti1ca.com2103 SITE WEB : bmsbti7.jpg
2103 SITE WEB, bmsbti8.jpg – ti1ca.com2103 SITE WEB : bmsbti8.jpg
2103 SITE WEB, bmsbti72.jpg – ti1ca.com2103 SITE WEB : bmsbti72.jpg
2103 SITE WEB, bmsbti39.jpg – ti1ca.com2103 SITE WEB : bmsbti39.jpg
2103 SITE WEB, bmsbti56.jpg – ti1ca.com 2103 SITE WEB : bmsbti56.jpg

 —-

 

Horonan-tsary (Video)-Magro.

Kabary, Dada sy Neny

Dada. https://www.youtube.com/watch?v=ZIR4C4lDzWc

Horonampeo, Feon’ny VAHOAKA-Radio Rindra-

Liva (kmsb), Mpitari-tolona

– http://ti1ca.com/0x1zlkqu-vie-10-150323-Feon-ny-vahoaka-Vah…

http://ti1ca.com/ywl59t5u-vie-10-150323-Vaovao-Rindra-Hariv…

Sary My Dago (3).

Manomboka androany dia hijanona ny magro.

mydago.com-fin Magro 21-03-15 (38)

mydago.com-fin Magro 21-03-15 (36)

mydago.com-fin Magro 21-03-15 (12)

—-

Tsy nampoizin’ny maro ny fahatongavan’ny Filoha Ravalomanana tampoka teny ankianja anio, na izany aza dia tena feno hipoka ny kianja. Nolazainy t@ izany fa: 1/ Atsahatra aloha ny hetsika eny @ Magro manomboka izao 2/ Raha misy ANTSO ataony dia tonga daholo @ toerana sy andro ary ora lazainy. Mila mifmpilaza raha misy tsy mahare 3/ Mila miomana daholo @ fifidianana ho avy eo. 3/ Mila mandray anjara @ fanampiana ny ankolafy ny rehetra fa tsy hiandry foana ny Filoha Marc RAVALOMANANA foana. Na eny antsen, na anaty fitaterambahoaka, na any ampiasana, na eny @ fianakaviana na ao @ okontany misy ny tsi1-1 na aiza na aiza. 4/ Mandray anjara tanteraka @ dinika Fampihavanam-pirenena ny ankolafy Ravalomanana

Fa angatahinay @ izay kosa ny 1/ Hanokafana ny orinasa TIKO 2/ Hanokafana ny MBS sns…….. AZA MATAHOTRA! MINOA FOSINY IHANY. NY RATSY FANAHY DIA TSY MAINTSY HO RESY SATRIA MITAHY NY OLONY ANDRIAMANITRA
 ———-
Guy Rivo Randrianarisoa Tonga teto amin’ny kianja ny finoana teto Magro Behoririka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanambara izy fa dia tapitra hatreto ny hetsika fanao teto amin’ny Magro isan’andro nandritry izay 6 taona izay. Miasa sy manentana ny mpiray tanàna amin’ny fitiavana ny antoko TIM amin’izay no tanjona
———–
 Mpitolona Malagasy Radio Rindra – Vaovao tapatapany 21.03.2015 : Feno 6 taona katroka androany nanombohan’ny TOLONA nitakiana ny FIVERENAN’ny Filohampirenena Marc Ravalomanana ary dia hidina eny amin’ny Kianja ny Finoana Magro Behoririka raha teo IZY amin’ny ANIO tolan’kandro …

——-

Nitsahatra ny hetsika teo amin’ny Magro, mitohy ny asa miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana

 Lundi 24 mars 2015.
Madagasikara Malalako
Nifarana tanteraka ny hetsiky ny zanak’i Dada eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy izany teny an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana mivady notronin’ireo mpitarika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny vahoaka maro be efa ho manodidina ny 3000 teo ho eo. Dibo-kafaliana ny mpitolona teny amin’ny Magro tamin’io sabotsy niavaka io. Faly dia faly ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana. « 6 taona katroka 21 martsa 2009- 21 martsa 2015, tsy nifankahita tava isika. Tsy kisendrasendra na fifanandrafian-javatra izany fa lahatr’Andriamanitra amin’izao fotoana izao mialoha ny paska satria ny 80%-n’ny asa dia ataon’Andriamanitra fa ny 20% ihany no asan’ny olombelona ». Vahoaka hendry Araka ny fanazavany dia niangavian’ireo mpiara-mivory ao anatin’ny zotram-pampihavanan’ny FFKM Atoa Ravalomanana mba hampitsahatra amin’izay ny hetsika isan’andro eny amin’ny Magro. Nisaotra ireo nitolona i Dada ary nanambara fa mila miverina miasa amin’izay mba hikarakara ny tokantrano ny tsirairay. Ny hetsika eto amin’ny Magro no mijanona, hoy izy fa isika miasa miaraka foana.
Mitohy ny asa miaraka amin’i Dada…
Tsy maintsy tanterahantsika hatramin’ny farany ny fampihavanam-pirenena hoy i Marc Ravalomanana. Zava-dehibe ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy ny fifankatiavana, fifampatokisana sy fanantenana, hoy izy. Nohazavain’i Marc Ravalomanana fa tsy mbola misy mihitsy ny fanampiana azon’i Madagasikara hatramin’izao, ka aleo isika mijanona sy miasa tsara amin’izay, sao sanatria isika indray no heverin’ny olona fa mampikatso ny fahatongavan’ny fanampiana, ary sao dia izay ihany koa no mahatonga ilay hoe :tsy miady, tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Am-pitoniana sy am-pahendrena tanteraka no nandraisan’ny vahoakan’i Magro io fanambarana ofisialy ny fampitsaraharana ny tolona io ary tena nidera azy ireo amin’izany fahendrana izany Atoa Marc Ravalomanana, izy izay nanome toky fa mbola hihaona tsy ho ela amin’ireo mpanara-dia azy. Tolon’ny finoana
Niavaka raha samy tolona teto Madagasikara ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana, ary azo atao mihitsy hoe sangany maneran-tany satria tsy fahita firy izany hoe olona na fikambanana antoko politika nahavita nivory sy nanao fitakiana tao anatin’ny 6 taona, ary manao hetsika isan’andro.Tsy tongatonga ho azy ilay hoe kianjan’ny Finona fa mifono zava-dehibe ary taratr’ilay filôzôfian’i Dada, nalaina tamin’ny soratra Masina manao hoe : « Aza matahotra Minoa fotsiny ihany ». Nosedrain’ny Magro ny fanenjehana, fanagadrana, lasa fanampin-tsakafo tamin’ny fotoan’ny tetezamita ny lakrimôzenina, tsy resahana intsony ny tsindry sy fandrahonana isan-karazany mahazo ireo mpitolona. Tsy nanenenanay ny zava-bitanay satria hita izao fa tena nody ventiny ny rano nantsakaina, tafody an-tanindrazana i Dada, ary hitarika antsika amin’ny fanavotana ny firenena, hoy ireo mpitolona tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny Behoririka ny sabotsy teo. https://photos.gstatic.com/media/slideshow.swf

—-

Faravohitra 13 Octobre 2014.

13/10/2014. 13/10/2014. Sary  Forum site officiel de la Mouvance Ravalomanana :
https://i2.wp.com/www.tananews.com/wp-content/uploads/2014/10/r8-faravohitra.jpg

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s