Tsimbazaza. Tsy nianjera ny Governemanta. Nifidy (112) – Eny (95) – Tsia (17). Hosoka tarehy marika ! ! !

Valiny.

Feo Iray (FB). VAOVAO FARANY: Tsy nianjera ny Governmenta malagasy tamin’ilay Fitsipaham-pitokisana:

112 nifidy,
ENY: 95 (vato miisa 101 no nilaindry zareo),
TSIA:17

112 votants
95 oui
17 non
Motion de censure rejetée

—-

Faly ery ireo mambra ny governemanta tonga teny Tsimbazaza fa naharesy tamin’ny fitsipahapitokisana alina, miaraka amin’ny depioté 17 nandatsa-bato ho azy dia mahatoky tena izy ireo fa niasa tsara sy tian’ny vahoaka.

—-

Motion de censure rejetée, il faut 101 voix, 2/3 des 151 Députés.
Votant : 112
95 contre le gouvernement.
17 pour le gouvernement.

—-

M/car. La motion de censure contre le gouvernement rejetée de peu

—-

Noaheninkaja Vonin’Aina Herimonina Rakotomanantsoa

Izao le trajet ho an’ireo izay tsy naharaka :

– Teny amin’ny Motel Anosy tamin’ny 10h 30, tonga ny depiote HVM, Mapar 2 et 3, Bebin de Manakara. Nilaza fa hiara-hisakafo, araka ny nambaran’i depiote Kathy HVM, fa rehefa tonga maro teny ny Mpanao Gazety dia rava ilay « fiaraha-misakafo » izay tsy nanomboka akory.

– 11h 30, nifamorivory tetsy Anosy indray, tao amin’ny Carlton, narahan’ny Mpanao Gazety teny an-toerana, fa tsy afaka niditra ny mpanao gazety, dia nitsoaka indray.

– taorian’ny 13h, teny amin’ny Hotely lehibe teny Tsiadana indray, tonga teny ny Minisitra ankehitriny sy ny teo aloha maromaro, Rasamoelina Brigitte, Horace Gatien, Anthelme Ramparany, Reboza Julien, Kolo Roger, ….. Tsy azon’ny mpanao gazety nidirana ny Hotel nifampriesahan’izy ireo…..

-Nandritra ireo fotoana rehetra ireo, tsy nitsahatra ni-telephone ny ankamaroan’ireo depiote, ny sasany manao satroka sy solomaso mainty, ny sasany mitodi-damosina mpanao gazety rehefa alaina sary…

– 19h 05 : Notapahina ny fampitana mivantana nataon’ny TVM sy ny RNM tetsy tsimbazaza, depiote 3 no nanda izany, 25 nanaiky ny hanapahana ny fampitana mivantana ary ny ambiny nisalaka tanana.

Izao alina izao mbola eny Tsiadana, mbola raikitra izay zavatra hataon’izy ireo eny.

– Ifandroritana ihany koa ny hevitra eny Tsimbazaza, mbola propagandy no miainga amin’izao amin’ny 21h 08 hanoratako izao.

Tranga roa no marihiko :

-Tsy fahita maneran-tany izany hoe mpikambana amin’ny governemanta, mifanome fotoana ary mamory depiote maromaro amin’ny toerana privée iray, ao anatin’ny fotoana hisian’ny Motion de Censure momba ny Governemanta.

-Resa-bola 25 tapitrsa Fmg ny resaka hatramin’ny omaly hariva, tsy misy fanazavana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana fa endrikendrka sy tsaho ary fanosora-potaka izany.

Fehiny, tsy misy mangaraharaha eto, ary noho ireo fomba tsy fanao hita maso ireo, sarotra ny tsy hinoana fa tena resa-bola sy fividianana depiote no nataon’ny ekipan’i Jean Ravelonarivo, sy ny hoe : tsy novidiana vola ny depiote sasany….. sarotra hoy aho.

—-

Ho an’i malagasy tsy ankanavaka .
Miala tsiny aminareo raha handray fitenenana, fa tsy haritro intsony, firy volana moa izay no nahalany anareo teo ry soi disant  » solombavam-bahoaka  » , inona no zavatra hitanay hatramin’izay .
Miady bon de carburant .
Miady passeport diplomatique.
Matory au moment de séance.
Mihinana sandwich ao anaty séance .
Mitondra vola @ baoritra be @ amin’ny alina eran’Antaninarivo .
Mi tantara foana ny fb @ ny vola kirakiraînareo etsy sy eroa .

Vao mifoha maraina dia izany no hita lasa any Ampefy , nokaramaina vola indray .
Manongana an’i filoha
Izao indray manongana praiministre
Sy ny sisa tsy voatanisa , izany ve no nidifia nana anareo ?

Moa naheno ve ny vahoaka hoe misy projet de loi mahasoa hono ho fidiana ao ,
Misy projet lalana ve .
Misy projet hanatsarana ny tanora ve .
Misy projet momban’ny fitsaboana ve
Misy projet momban’ny fampianarana ve .
Firy volana izay resabola lava no hataonareo io , ny vahoaka nifidy anareo Efa mikiakiaka ny fahantrana , ny hanoanana , mba mieritrereta ary mba matahora an’Andriamanitra re tompoko.

Rehefa tsy misondrotra ve ny karamanareo , rehefa tsy azo ve ny 4/4 dia io hanongana io no hatao raharaha , ny firenena Efa mijaly be . Izaho tsy HVM fa kosa Aleo aloha ireo hiasa fa dia Efa mijaly loatra ny vahoaka .

Aoka izay ity manonganongana ity , io ihany no Efa nampididoza , dia mbola hatao ihany , Gaga indray manko aho vao niditra ny trano hoe inona indray ity 114 députés ity , tsy lasa intsony fa izany ve no hananganana tanana lava ao . Hataovy ny tena as anareo , omeo respect ireo olona nifidy anareo , Leo ny film tourner nareo isan’andro izahay.olona misaina daholo nareo ka mieritrereta. Misaotra.

—-

Ange De Marie RakotondrabeQui dit mieux? Les ministres en personnes s’amenent avec leurs malettes pour tenter d’acheter la conscience des deputes afin de ne pas les destituer!Les nouvelles sur la Rta inquietent:Jamais les mallettes n’ont trouve plus de justifications que ces dernieres heures!Et les ministres eux-memes ne se cachent plus a…TSIADANA!
 —-
Sitraka Andriantsalama Rawel toy ny SOKINA nananibato ny Hvm sy ny filoha ka tapidalan-kaleha. Tonga tsy nahy teo @ fitondrana ka tsy fantatra izao tokony hatao. Ny vola sy fahefana no nahamaika sy drafitra entina mitantana ary tetika lavitr’ezaka hampandrosoana sy handaminana. Mandroso maty renibe mihemotra maty raibe satria tsy sahy manafoana ny Antenimiera, matahotra sao depiote 5 no lany eo. Tsy misy vahaolana izao toe-draharaha izao fa ny any azo atao dia miandry izay hirodanany. Ny tena mamoehitra dia ny vola lalaovin’ny depiote sy ny mpitondra, ny depiote tohanan’ny karana sy ny vazaha ny mpitondra mampiasa volam-bahoaka, dia ny vahoaka mitazana fotsiny. Raha ny tokony ho izy efa mipetraka ny fetrandro hanatanterahana ny fametrahana ny rafitra any @ vondrom-bahoaka toy ny regionale, provinciale, senatoriale nefa hatramin’izao mbola tsy misy izany. Fanjakan’i Baroa no misy ary mbola ho ela vao hisy Andriandranolava hanavotra ny Ambanilanitra.
—-

Point de vue : Rien ne sera comme avant

 Rien ne sera comme avant

Une fin de session incroyable… Du jamais vu dans les annales de la vie parlementaire. Le gouvernement Jean Ravelonarivo l’a échappé belle. La motion de censure n’a pas abouti. Il y eut des défections quelque part.
Mais les choses ne vont pas en rester là. Cette Chambre n’est pas encore dissoute. Et les deux-tiers de l’Assemblée ne sont pas favorables à ce gouvernement.
La question est de savoir les vraies motivations des députés. Est-ce par dépit pour ne pas avoir réussi à dégommer le President de la Republique ? Est-ce parce que le gouvernement Jean Ravelonarivo a échoué au bout de ces 100 jours de gouvernance ?
Il faut cadrer tout cela dans un contexte politique particulier. Marc Ravalomanana et Andry Rajoelina ne sont pas très disposés à attendre 2018, année des prochaines présidentielles. Victimes du « ni… ni… », ils souhaitent, selon les analystes, des élections présidentielles anticipées. Vu sous cet angle, on comprend le jeu des députés TIM et des autres députés également. A la limite, on pourrait inscrire les crises syndicales dans ce même cadre.
Dans tous les cas, la balle est dans le camp du Président de la République. Les députés ont censuré le gouvernement. Or, c’est avec ce gouvernement qu’ils sont appelés à travailler. Une recomposition de la classe politique a été enclenchée depuis hier.

Ma-Laza

– See more at: http://matv.mg/point-de-vue-rien-ne-sera-comme-avant/#sthash.hEItPCkt.dpuf

—-

jean_max_rakotomamonjy_pan

Deputes-Sommeil01

Ireo solombavam-bahoaka sy ny filohany.

Tsy misy zavatra manjary nandritrin’izay enin-taona izay.

Vola no nameno ny ati-dohan’izy mianakavy.

voiture2

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :