Marc Ravalomanana. Kongresin’ny tim faritra analamanga, 4 Jolay 2015. (My Dago). Horonam-peo.

DADA & TIM Avaradrano-12Ny kaomina Anosy Avaratra izay kaomina vaovao ao anatin’izao fifidianana ben’ny tanana izao no nandray ny kongresin’ny antoko Tim faritra Analamanga ny Sabotsy 04 Jolay 2015 tontolo andro. Vory lanona teny an-toerana avokoa araka izany ireo mpikambana isan’amabaratonga eo anivon’ny Antoko Tim. Ny filoha nasionalin’ny antoko Ravalomanana Marc niaraka tamin’ny zanany faralahy Maika Ravalomanana no tonga nanatrika izany teny an-toerana.  Nafana ny nandraisan’ireo vahoaka an’i dada nanomboka tao Sabotsy Namehana izay nijanona nijery ny fotodrafitr’asa , sy ny tsena tao . Anisan’ny nambaran’ireo vahoaka marobe te ahita azy ny hoe miverena ianao prezindà. Nisy ny fanomezana vary, saonjo, nataon’ny mponina azy tamin’izany. Tsy tao ihany anefa no nisian’ny vahoaka marobe niandry azy fa mandram-pahantongany tany amin’ny toerana hanaovana ny kongresy. Tsy diso anjara tamin’izany fanomezana  ho an’i dada izany ihany koa ireo kandida ho ben’ny tanana natolotry ny antoko Tim izay mahatratra 143 ao anatin’ny faritra Analamanga ahitana kaomina 143, nanolorana fanomezana  Ny mampalaza iny faritra avarandrano iny no natolotra tamin’izany dia tsy inona akory fa koba. Misoatra betsaka fa nahazo koba hoy ny filohan’ny Tim ka tsy ho kobaka ambava intsony izy ity. Ankoatra izay dia nampahafantatra ireo mpizaika ihany koa  ny antony hanaovana ny kongresy. Ny kongresy hoy izy dia fampafahantarana ny fisian’ny antoko sy ny tanjaka hananany indrindra ny fitsipipi-fehezana ao anatiny sy ny hafatrafatra ho an’ny mpanaraka azy fa tsy ataotao hoe kongresy fotsiny.Ny antsika dia kongresy mamerina amin’ny voalohany indray aho hoe misy fitsipipi-fehezana.

Amin’izao fotoana izao dia tsy mora ny ady atrehintsika hahazoana fandresena. Izay no mahatonga antsika hanao kongresy. Mampanantena anareo izahay mpitarika fa ny Tim dia hiezaka araka izay azo atao mba tena hampandrosoana ny faripiainan’ny tsirairay. Aza mieritreritra mihitsy ianareo fa izaho hitady seza na vola fa na ny zanako aza tsy hitady vola fa efa ho vita ny fianarany. Ny tarigetrantsika dia ny hampanana ny tsy manana.  Amin’ny antoko politika hoy izy dia ny zava-dehibe dia ny fahavononan’ny olona hanao zavatra amin-kitsipo, tsy terena fa manao azy am-pitiavana. Raha any amin’ny orinasa kosa izy dia any no terena.Maninona ny olona no manaraka antsika satria fantany ny taringetrantsika sy ny lalan-kizorana. Tao anatin’ny filaminana sy ny fifanajana tanteraka no nanantanterahana ny kongresin’ny Tim faritra Analamanga. Ny filoha nasionalin’ny antoko Tim aza dia niaiky fa nanaraka ny fitsipipifehezana ireo mpizaika tonga teny an-toerana.


Photo de Mpitolona Malagasy.

Radio Rindra: Ambiance Kongresy rezionaly Anosy Avaratra Tiako I Madagasikara – 04.07.2015

http://ti1ca.com/ikyvgshk-vie-06-150704-Ambiance-Kongresy-r…

http://gvalosoa.com/?p=740

Ampahany :

Ravalomanana Marc : « … tsy maintsy tohanantsika hatramin’ny farany ireo solombavambahoakantsika ireo

N’inon’inona lazain’ny sasany momba ireo solombavambahoaka hoy ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy te hahala izany isika fa antsika ireo, manaraka ny fitsipi-pifehezana ireo dia ny firaisankina. Tsy maintsy arovantsika hatramin’ny farany ireo. Manitsy azy no ataontsika fa tsy isika mihitsy no hanaratsy azy ireo. Ireo solombavambahoaka ireo be dia be ny fanaratsiana satria ireo tsy mba solombavambahoaka voavidim-bola.Misy miteny ny sasany hoe manaraka ireo namany izy ireo. Azy ny azy, andraikitran’izany.Tsy izaho mihitsy no hitsabaka amin’ny andrimpanjakana misy azy ireo. Mahalala ny tokony ataony izy ireo. Isika mpanohana azy dia anjarantsika ny miteny azy rehefa tsy mety ny ataony. Olomboafidy izy ireo tany amin’ny boriborintany na disitrika nahalany azy ka tsy izaho no amaha azy . Nisy tezitra tamin’izy ireo mihitsy aho tamin’ny voalohany fa izany fahatezerako izany tsy mitondra mankaiza. Aleo miaraka dia mifanazava.Tsy maintsy tohanantsika hatramin’ny farany ireo. Rehefa miteny aho hoe tsy anay intsony ireo , hafa indray izay.Ny any hafa aza hahitsy ka vao mainka ny antsika…. »

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s