MBS, TIKO. Mbola tsy misokatra, mitohy ny antsonjay. RNM, TVM, fanapenam-bava.

mbs

tiko

DADA & TIM Avaradrano-5Mbola tsy misokatra hatramin’izao ny orinasa Tiko sy ny radio Mbs izay fananan’ny filoha Ravalomanana. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ny fanjakana ny amin’ny tokony hanokafana izany kanefa tsy mbola nisy izany hatramin’izao. Ho an’ny filoha Ravalomanana dia nambarany fa efa nilaza aho fa tokony hosokafana ny Tiko sy ny Mbs. Efa nanao fangatahana izahay amin’izay tokony atao. Angamba handeha amin’ny dingana manaraka izy io. Ampahafantatra izao tontolo izao sy ireo firenena ary ireo masoivoho ireo aho ary efa nilaza aho fa tsy rariny kosa ny tsy fanokafana ireo. Volazan’ny tondrozotra ny fanokafana izany fa rehefa tsy avela sokafana na omena ny lakile dia ho hitantsika eo.

My Dago.

—-

RNM sy TVM

Photo de Jo Loc.

Marc Ravalomanana Tampenam-bava ao amin’ny RNM sy TVM

03/07/2015
Mitohy ny fanapenam-bava ! Milatsaka ny baiko. Tsy azo alefa ao amin’ny haino amanjerim-panjakana (RNM sy TVM) intsony ny vaovao mikasika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy izy ihany fa miitatra any amin’ny antoko Tiako I Madagasikara

. Nisesy ny fanaovan’ity antoko ity kongresim-paritra tato ho ato. Tany Miarinarivo Itasy ny alarobia. Tany dia efa narirariran’ny solontenam-panjakana tsy nomena fahazoan-dalana, noho ny “baiko tsy maintsy tanterahina” fa “mena ambanin’ny mena”, hono. Nitohy teny amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina – Antananarivo Renivohitra ny fihaonan’ny Birao nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny mpikambana eny ifotony, sady fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly hatao amin’ny 31 jolay ho avy izao. Nisy mpiasan’ny haino amanjerim-panjakana tonga nandraikitra am-peo sy an-tsary ny zava-nisy teny an-toerana, saingy mazava ny toromarika azon’izy ireo fa tsy azo alefa amin’ny RNM sy TVM izany. Talohan’io dia niverina indray ny fanelingelenana ny haino aman-jery MBS, fananan’i Marc Ravalomanana taorian’ny taratasy navoakan’ny minisiteran’ny serasera misintona ny fahazoan-dalana teo am-pelatanan’ny MBS hahazo handefa fandaharana. Vokany, moana tanteraka na ny radio na ny fahitalavitra.

Misy ihany feo heno eo amin’ny onjampeon’ny MBS, saingy radio hafa. Nitondra ny raharaha eny amin’ny Filankevi-panjakana ny mpitantana eo anivon’ny MBS. Ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra, sy ny zo hahalala vaovao ary ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay zo fototra omen’ny lalàmpanorenana Malagasy mihitsy eto tsy voahaja. Tenenina am-bava fotsiny indray ve izany ilay fampihavanam-pirenena, raha misy ny fanilikilihana toy izany ? Fitoniana inona ihany koa no andrasana amin’izany, tsy hahafaly ireo mpanara-dia ity filoha teo aloha ity rahateo izao antsojay atao aminy izao ?

—-

Aza tapenam-bava ny vahoaka. Sokafy malaky ny MBS.

tiko

vita-malagasy%20min

Tsiky Ravalo 8

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s