Antananarivo. Neny Lalao Ravalomanana no Ben’ny Tanana.

Neny Ph de Ntsy

12.08.2015 – VOKA-PIFIDIANANA VONJIMAIKA CENIT – Résultats provisoires des élections Communales et Municipales du 31 Juillet 2015 : Lalao Ravalomanana : 55,96%

http://www.ceni-madagascar.mg/#

Neny : hitsinjo ny ankizy sy ny tanora, hiaro ny lehibe sy ny antitra

10 août 2015 by Solo Razafy*

Tsy mitsinjo ny ho avin’ny ankizy sy ny tanora ny mpitondra eto amintsika. Maro ny tranga miseho ahafahana manamarina izany. Raha misy ny olana eny amin’ny Anjerimanontolo, mahakasika ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka dia hita mibaribary fa tsy vonona hamaha olana ny fitondrana fa ny teti-dratsy aroson’ny fitondrana dia ny fampiadiana ny mpampianatra mpikaroka amin’ny mpianatra sy ny ray amandrenin’ny mpianatra. Voiziny mafy ankehitriny ny hoe manao sorona ny mpanala Bakalorea ny Seces, kanefa raha nisy nanao sorona ny fiainan’ny tanora dia izay rehetra nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy ireo nanana andraikitra taorian’izany. Ny tsy fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra malagasy any Chine dia porofo mampiseho ny fanaovana sorona ny tanora malagasy. Mbola ohatra iray ihany koa mikasika ny andro nanaovana ny fanadinanana CEPE farany teo. Miara-mivory ao amin’ny filankevitry ny governemanta, ny filankevitry ny minisitra, ny minisiteran’ny ati-tany sy ny minisitry ny fanabeazanm-pirenena kanefa dia samy tsy misy tonga saina mampiditra ny androm-panadinana ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezankevitra. I Neny Lalao Ravalomanana no nahatsapa voalohany fa tokony hampandeferina ny fampielezankevitra ny Talata 21 Jolay ho fitsinjovana ny ankizy malagasy.Voatery tsy maintsy nanaraka ireo kandida hafa, na Ingahy minisitry ny fanabeazam-pirenena aza lasa nanao fanambarana tsy fidiny. Vao tamin’ny herinandro lasa teo indray tao anatin’ny fanadinana BEPC, natomboka ny Alarobia 04 Aogositra 2015 ny Fier Mada tetsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina. Nitabataba tsy nisy nifandrenesana ny fanamafisam-peo heno hatrany amin’ny Lycée Andohalo sy ny CEG Avarandrova, ny teo amin’ny CEG Antanimbarinandriana dia tsy ho lazaina intsony kanefa dia foibem-panadinana daholo ireo voalaza ireo. Tsy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena akory no nanao ny Fier Mada fa ny tomponandraikitra ao amin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra no tsy misaina nanome kianja Annexe Mahamasina saingy azo disoina ihany ny minisitera tsy sahy niteny tamin’ny mpikarakara. Mbola nitohy ny Alakamisy andro nifaranan’ny fanadinana ny tabataban’ny fanamafisam-peo. Soa fa i Neny no ben’ny tanana eto Antananarivo Renivohitra manomboka izao dia tsy hisy intsony ny fanaovana tsinontsinona ny tanora malagasy. Tsy i Neny mihitsy no hanaiky hanaovana tabataba amin’ny fotoam-panadinana ka hanome alalana amin’ny toerana iandraiketan’ny tananan’Antananarivo Renivohitra. I Neny izay miady mafy tamin’ny fanomezana Kit scolaire ny zanaka malagasy sy ny fanaovana ho maimaim-poana ny fiterahana teny amin’ny hopitalim-panjakana. I Neny ihany koa no nandresy lahatra an’i dada fa tokony atao ny test ADN ho an’ireo lehilahy mandositra adidy. Misy dikany sy antony lehibe ny fiantsoana hoe NENY, izay mampibarareoka an’i Kala Katsetsoka basy vava amin’ny tsy marina. Koa tongava malaky ny andro ivoahan’ny valim-pifidianana amin’ny fomba ofisialy fa maika higoka ny soa sy ny mamy avy amin’i Neny ny vahoakan’Antananarivo tsy hanavahana sokajy taona.

http://mydago.com/2015/08/neny-hitsinjo-ny-ankizy-sy-ny-tanora-hiaro-ny-lehibe-sy-ny-antitra/

mercredi 12 août 2015

Communales – Résultats des capitales de province

Selon les résultats, encore provisoires, du CENIT, les trois grands partis se sont répartis les capitales de province comme suit (Source CENIT):
•TIM : Antananarivo (56%)
•MAPAR : Toamasina (40%), Mahajanga (41%) et Antsiranana ( 28%)
•HVM: Toliara et Fianarantsoa.
Il faut souligner que plusieurs requêtes sont engagées auprès des Tribunaux administratifs pour contester les résultats, ce qui risque de bouleverser ces derniers.
Notons enfin que c’est le parti présidentiel HVM qui est le principal cible des contestations pour FRAUDES ELECTORALES.
Attendons les décisions des juges.

Malagasy Noverezina ZO

Neny a1

tanoran'i Neny 9

Tanoran'i Neny 2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s