Nasiaka mafy Radama amin’ny tokony hanajana ny fitsipika miaramila. Ny Foloalindahy.

« FITSIPIKA-Tsy mba nisy miaramila tamin’izany sahy nanao adalana, mitsoakan’ady na koa nangalatra ny sakafon’ny miaramila, nivarotra akanjo, nanao risoriso, namadika tany @ fahavalo satria izay tratra dia maty eo no ho eo, tsy misy resaka na adihevitra. Nasiaka mafy Radama amin’ny tokony hanajana ny fitsipika miaramila. Tsy mba nanavahana firazanana ny famaizana sy ny kapoka mahazo raha misy manamboninahitra na miaramila manao tsy mety. « 
Publication de Sitraka Andriantsalama Rawel (FB).

MAZAVA ATSINANANA NY ANY AMINAY

TAFIK’I RADAMA-Radamamanjaka dia mpanjaka natanjaka, nahiratra tsara hofana sy tsara hafatra.

Nanafatra Andrianampoinimerina fa ny ranomasina no valam-parihiko, ka tsy niova tamin’izany teny izany Radama fa dia notanterahany ny fanirian’ny rainy. Nila tafika sy miaramila tsara hofana sy mahay miady anefa izy mba hanatanterahana izany. Tany ambolaohany dia tsy dia nahery ny tafika voalohany notarihiny satria miaramila tantsaha ka rehefa main’andro, sy ririnina ihany vao azo antsoina fa rehefa fararano na lohataona dia variana miasa any an-tsaha. Rehefa nanafika tany Menabe Radama dia resin’ny Sakalava, toy izany koa ny tany Tanala. Nanapakevitra ny mpanjaka fa mila manangana tafika lehibe, matihanina, mahaleotena, ary miaramila mpikarama an’ady.

Rehefa nisaina lalana ny andriana dia niteny fa hampiakatra ny vazaha hampianatra ny tafika ho lasa tafika matanjaka sy matotra ary hanofana ny tantsaha sy ny zatovolahy ary ny andriana hiady. Nanao kabary ary ny mpanjaka ka hoy izy :Misy Sitrapoko sy mamin’ny kiboko, koa izao no lazaiko aminareo ambanilanitra ; hanan-tsakaiza amin’ny vazaha aho, koa milaza aminareo ambanilanitra fa nisy didy tsy hiakaran’ny vazaha aty ankibon’Imerina, didin’Andrianampoinimerina izany, ary raha mihitatra kosa ny fanjakako dia hampiakariko ny vazaha ka milaza aminareo ambanilanitra aho– hoy kosa ny ambanilanitra « raha misy sitraky ny fonao sy ny kibonao dia ataovy satria ianao efa nahasoavin’Andrianampoinimerina ho tompon’ity tany sy nosy ity. »

Nampiakarina tokoa ary ny vazaha, ka hoy Radama : Ny vazaha dia hampianatra ny tanora sy tantsaha ho MIARAMILA, HO TANDROKY NY TANY SY NY FANJAKANA. Hakarina aty amintsika ny tafondro vaovao, basy maro, fanamiana vaovao, vanja, bala, falia, izany no entina aty amintsika fa izany no entina mamory ny tany sy ny fanjakana.
Nanory hevitra ny mpanjaka ny vazaha fa aleo manao miaramila mba tsy ho lany ny vahoaka fa hamokatra. Miaramila matihanina sy mahay miady no hatsangantsiaka hoy ny vazaha (Anglisy). Ny miaramila anglisy Brady no nanampy sy nanofana ny tafika merina an’Ilaidamamanjaka voalohany.
Rehefa tapaka avokoa ny fomba hananganana ny tafika vaovao dia nanofana 50 lahy Brady sy Radama, dia natao 100 lahy, avy eo 400 lahy, dia avy eo 1000 lahy avy amin’ny andriana sy hova mpanankarena.

Rehefa vita ireo dia naka tovolahy natanjaka tamin’ny ambanilanitra ny mpanjaka ka hoy Radama « raha efadahy ianareo dia ny roa miaramila, raha roa kosa dia ny iray miaramila ». Io fandaminana io no nahatonga ny Foloalindahy.

Rehefa vita izany dia samy nanome 400 lahy avy Imerina enintoko sy Betsileo ka i Brady sy Karenina no nanofana sy nitarika ireo miaramila. Nanafatra fitafy, satroka, basy, sy kiraro tany amin’ny Governora Farquhar ny mpanjaka, rehefa nahita fa vonona ny tafika. Ingahy Brady sy Hastie no nanofana ny tafika ka ny 400 manamboninahitra ary ny ambiny kosa miaramila tsotra.
Ny akanjon’ny tafika Merina an’ny mpanjakan’i Madagasikara tamin’izany dia akanjo maintso sy satroka maintso an’ny Irish Guards namboarina tao India, basy, ny manamboninahitra kosa nanao akanjo mena sy pataloha mainty, na tunique rouge ny british greenaders. Marihina fa nisy ihany koa mpitsoka mozika mainty enindreny nalefa nianatra tao Maorisy ka rehefa niverina teto dia lasa mpitsoka mozikan’ny Fanjakan’i Madagasikara.

Mba tsy hisian’ny korontana sy tsy fanajana ny baiko sy mba hanana miaramila moderna tahakan’ny anglisy dia nametraka ny rafim-pifehezana sy rafim-pitondrana nantsoina hoe Voninahitra ny mpanjaka sy Hastie ary Brady. Ny andriana no maro an’isa tamin’ireo tanora nofanina ho manamboninahitra na dia nisy ihany aza hova sy mainty enindreny.

Toy izao ny filaharan’ny Voninahitra :
Ny X Voninahitra (folo) no komandy ambony indrindra, matetika dia ny havan’i Radama akaiky na ny Andriamasinavalona no natao 10 voninahitra
Ny IX Vtra no lefitry ny X Vtra
Ny VIII lefitry ny IX, toy izany koa ny VII lefitry ny valo. Hatreo amin’ny VII no manamboninahitra ambony tamin’ny andron’i Radama. Ny VII no miakatra no matetika natao Maroseranana na governora tany amin’ireo toerana stratejika na fanjakana vao notafihina ary mitarika 500 lahy no mihoatra.
Ny VI Vtra dia karazana kapiteny mifehy 100 lahy.
IV Vtra no midina dia mpanitsy miaramila ary mitazona ny faneva rehefa misy matso. Raha ny rafitra anglisy no jerena dia sergeant Major.
Ny III Vtra mifehy 20 lahy ary ny II Vtra mifehy 10 lahy, ary ny I Vtra miaramila.

Nony vita ireo miaramila vao nofanina ireo dia naka vatan-dehilahy indray ny andriana mba hofanina ho miaramila haka ny faribavan’Andrianampoinimerina. Ny faritr’Avaradrano dia nangalana 4000 lahy, Vakinisisaony 3000, Marovatana 2000, Vonizongo 2000, Ambodirano 2000, Vakinankaratra kosa tsy nangalana intsony. Ny mainty enindreny dia nangalana 1000 lahy ka manendy sy Tsiarondahy no maro an’isa. Ny Tsiarondahy dia mpiambina manokana ny mpanjaka ka nanana ny fanevany manokana. Nony tonga tao Sahafa ireo tanora hiofana miaramila dia nasain’i Radama notapahina ny volony satria hoy ny mpanjaka hoe efa tafika sy miaramila ianareo izao fa tsy tantsaha intsony ka tsy maintsy tapahana ny volonareo. Nisy vadin’ireo miaramila nofanina ireo no nikomy tao Ambatoroka satria hono tsy tokony notapahana ny volon’ny vadiny. Tezitra mafy Radama ka nasainy nenjehina ireo vadina miaramila ireo.

Ny tafik’i Radama tamin’ny nandeha nanafika voalohany dia miisa 1 alina ary ny 1000 ambiny niandry an’Antananarivo. Ny mpitarika ny andian-tafika dia Radama manjaka, Hastie sy Brady ary ireo andriana havan-dRadama sy ny andriana nahazo ny laharana 8-10 Voninahitra. Izay tany nalehan’i Radamamanjaka dia gaga sy natahotra ary niondrika teo anoloan’ny fahatsaran’ny tafika nentiny. Mahay mihira sy miaramamindra hoy ny Betsimisaraka, mahay miady hoy ny betsileo sy ny Sakalava.

Tsy nisy korontana intsony izay tany nandalovan’ny tafika Radama fa nandry fahalemana.
Tafika nanana ny maha izy azy, eny fa na ireo anglisy izay nampiofana ny merina aza dia gaga ny fahaizan’ny ambanilanitra mandray aingana ny fampianarana sy fomba fiady vaovao nentin’ny anglisy. Ny tafik’i Radama no nanangona ny Ambanilanitra ankoatran’ny faritra farany atsimon’ny Nosy. Ramananolona X Vtra raha naka an’i Taolagnaro dia natahoran’ny frantsay vitsy izay niandry ny Fort Dauphin. Hoy tokoa ny frantsay hoe masiaka sy manaja fitsipika ny miaramila merina ary tsy manaiky lembenana. Indray andro raha saika hanangana ny saina frantsay ny miaramila frantsa dia nambanan’ny tafika merina sy miaramila vitsy ny basy ka hoy indrindra ny miaramila merina hoe : « Ny sainan’Ilaidamamanjaka no hapetrakao sy hatsanganao fa tsy ny sainanareo frantsay « . Nanomboka io andro io dia saina merina mena sy fotsy ary saina fotsy misy kintana sy Litera RR no nihofahofa tao Taolagnaro-Fort Dauphin.

1. Toy izao no fiantsoana ny manamboninahitra sy ny foloalindahy tamin’ny andron’i Radamamanjaka.
2. -Lehilahy noranitina hamory ny faribavan’Andrianampoinimerina
3. Lefo-maranitra sy apinga matevina
4. Fanjaitry ny tany
5. Kofehy mando mitam-panjakana
6. Tandroky ny fanjakana
7. Hidy sy rakotry ny fanjakana hitana izay vinon’Ilaidama, nanaovany salaka fohy rambo sy sakafo ambany foitra.
8. Kitro hifaharana
9. Angady lava zarana hahamaintimolaly ny tany sy ny fanjakana
10. Vato eran-tanan’ny ambanilanitra
11. Tsiriry ahitra hipetraka amin’ny tany, tsy mba Tsiriry vorona ka handositra.
Nametraka fepetra sy fitsipika Ilaidama fa raha misy miaramila miamboho fahavalo ka mandositra dia dorana velona. Nisy tokoa V, VII Vtra nitsoaka ady tao Ambatondrazaka raha nalefan’Ilaidama nampandritany tany an-tSihanaka. Raha nahare izany ny mpanjaka dia nasainy nodorana velona ilay manamboninahitra ambony.
Nanao orimbato tao Sahafa Avaradrano Radama, ary nifanao velirano ny andriana, ny ambanilanitra ary ny miaramilan’ny tafika fa tsy hifamitaka na handrarak’ilombian-doha ary tsy hiamboho adidy fa hifanaja sy hifampatoky.

Rehefa vita ny teo Sahafa dia nisaraka ny tafika sy Radama ka samy namonjy ny Toko niaviany avy ireo Miaramila hanao matso sy haseho vahoaka ka toy izao avy ireo toerana nanaovana matso voaloahany teto Imerina. Matso izay manaraka ny fomba anglisy manangatsaina na koa hoe Trooping the colour.
1. Ny matso tao Avaradrano dia tao Sahafa
2. Ny tao Vakinisisaony dia teny Ampanarivoana
3. Ny Marovatana tao Ambatofomanjana Imerin’Afovoany
4. Ny tany Ambodirano dia tao Benasandratra Itaosy
5. Ny Vonizongo teo Ambatongiodana
6. Ny vakinankaratra dia tao Iarivo Betafo.

FITSIPIKATsy mba nisy miaramila tamin’izany sahy nanao adalana, mitsoakan’ady na koa nangalatra ny sakafon’ny miaramila, nivarotra akanjo, nanao risoriso, namadika tany @ fahavalo satria izay tratra dia maty eo no ho eo, tsy misy resaka na adihevitra.

Nasiaka mafy Radama amin’ny tokony hanajana ny fitsipika miaramila. Tsy mba nanavahana firazanana ny famaizana sy ny kapoka mahazo raha misy manamboninahitra na miaramila manao tsy mety.

Maro ireo Andriamasinavalona, Zazamarolahy no nodorana velona, na novonoina, natao sesin-tany na navarina andevo raha tratra nanao ratsy.

Radama Ier, né en 1793, devint roi de Madagascar en 1810. Pendant son règne, il consolida son royaume et renforça les relations diplomatiques avec les pays européens. Il ne régna que 18 ans, mourant le 27 juillet 1828 à 35 ans des suites d’une infection contractée lors d’un voyage. N’ayant pas d’enfant pour lui succéder sur le trône, sa femme devint reine de Madagascar sous le nom de Ranavalone 1re.Source.

Radama b

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s