Volam-panjakana omena karana… Avereno aminy vahoaka ny tany sy vola. Ravao ny trano fa halatra.

Karana tompona “Quincaillerie” Ananan’ny fanjakana 644 miliara Ariary

16/11/2015

Mipoitra tsikelikely ankehitriny ny tsiambaratelon’ny fanangonan-karena ataon’ny mpandraharaha sasany, indrindra ny vahiny, eto Madagasikara. Betsaka no tsy mandoa ny vola tokony haloany amin’ny fanjakana, na haba io na hetra. Azo antoka 100% fa fantatry ny Fanjakana ny fisian’izany

Ny fanontaniana mby ao an-tsain’ny maro avy hatrany dia ny hoe inona no nataon’ny Fanjakana nanoloana izany ? Vola tsy hita pesimpesenina mantsy no mandehandeha any. Raha nisy hetsika nitakiana ny vola tokony ho naloan’ireny mpandraharaha ireny, na nogiazana ny entany ka natao lavanty hanonerany ny vola, maninona i Madagasikara no mbola mandalilady mitrosa vola lovain-taranaka amin’ny vazaha hatrany ?

Ny zava-misy dia manery ny mpitondra hampakatra ny tahan’ny fampidiran-ketra ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena fa ambany loatra. Tsy te hisahirana ny mpitondra eto fa dia ny fampakarana ny tataon-ketra alaina amin’ny efa mpandoa hetra, izay vahoaka madinika sy mpandraharaha madinika ny ankamaroany, no ampihariny fa misy ny jerem-potsiny mba tsy hilazana fa arovan’ny mpitondra ambony aza, toy ity Karana tompona “Quincaillerie” anisan’ny voatonontonona hatao ambadik’ireny fanonganam-panjakana teto Madagasikara tamin’ny 2009 ireny. Raha ny antontan-taratasy mandehandeha any dia maherin’ny 644 miliara Ariary ny vola tokony haloany amin’ny Fanjakana, ny taona 2011, 2012 ary 2013 ; mifangaro ao ny hetra, haba, TVA, ary ny sazy samihafa amin’ny tsy fandoavana sy ny filazan-ketra diso. Tsy miasa irery ity Karana ity ao anatin’izany fa mampiasa Malagasy, nanokafany orinasa tsy fanta-pototra ny tena fisiany. Ny orinasan’ity Malagasy ity no anoratany ny entana hafarany, ary zara raha misy ampahafolon’ny tena sandan’ny entana tonga any amin’ny seranan-tsambo no anaovany fanambaran-ketra. Dia toy izay hatrany. Vokany, sady tsy mandoa ny hetra sy haba tokony haloany ilay Karana no mahazo tombony mihoapampana. 644 miliara Ariary aloha ny azy irery no fantatra hatreto, mbola mety hitovana io ho an’ny taona 2014 sy 2015 ity, vola tokony horaisim-potsiny nefa ny fanjakana izao mandadilady sy mitalaho mafy amin’ny Vondrona Eoropeanina mba hahazo ilay vola tsy averina 518 tapitrisa Euros. Raha miditra anefa io 644 miliara Ariary io, mety kely sisa ny elanelana eo amin’ny tsy fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka amin’ny fanjakana.

Rabri

Gazety TiaTanindrazana

Mba fantatrao ve :.Maro be ny raharaha miakatra Fitsarana momba ny ady tany. Karana ny ankilany ary Malagasy ny andaniny (mpitory mazana fa tany lasan’ny vahiny taminy hosoka sy halatra). Tsy misy Malagasy maharesy izany… Efa voavidy koa ny MPITSARA MALAGASY. MCM

Sambaina 3

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s