VOKATRY NY ORA-MIKIJA TETO ANTANANARIVO : 6 no maty. Ino vaovao, Midi M/kara.

Ino vaovao

de Météo 101. 9 Décembre 2015.

Photo de Météo 101.

Nahery vaika ny orana teto Antananarivo sy ny manodidina anio hariva ary nahatratra hatrany aminy 70mm izany tao anatiny ora 3. Mbola hitohy anefa ny orana anio alina sy rahampitso ka aoka isika hitandrina.

Ce soir l’activité orageuse a été particulièrement intense sur le capital Malagasy. Nous avons enregistré pas moins de 70 mm en moins de 3h ceci dit la région Analamanga passera certainement en vigilance forte pluie car le risque orageux sera maintenue cette nuit.

Image : image satellite à 19h local

Olona 6 sahady no namoy ny ainy ka tovovavy 14 taona ny iray

Manaporofo ny fahasimban’ny fotodrafitrasa famoahan-drano eto Antananarivo renivohtra ny rano miandrona etsy sy eroa raha vao milatsaka ny orana.10 décembre 2015

Mitera-doza ho an’ny mponina, indrindra ireo monina eny amin’ny tanàna iva anefa izany satria tsy afaka mikoriana tsara ny riaka.

Ny alarobia sy omaly alakamisy hariva dia olona enina tsy manan-tsiny no namoy ny ainy vokatr’io fiakaran’ny rano tetsy Besarety sy Mahavoky, Antanandrano sy Ampandrana Atsinanana, nandritra ny rotsak’orana ny harivan’ny alarobia teo. Nisy tamin’ireo namoy ny ainy ireo no noentin’ny rano ka nateliny ary tao kosa no nandeha tamin’ny tetezana izay efa difotry ny rano tanteraka ka zakan’ny rano. Ny nofo mangatsiakan’izy ireo sisa no hitan’ny olona rehefa nitsahatra ny orana.

Zazavavy 14 maty nianjeran’ny tamboho

Ny alin’ny alarobia hivofa alakamisy ihany dia zazavavy kely iray 14 taona no namoy ny ainy nianjeran’ny tamboho manana ahavo 4 m tao an-tranony teny Miandrarivo Ambanidia. Betsaka ny rotsak’orana kanefa tsy ampy ny lakan-drano hivoahan’ny rano. Nitoby tao ivelan’ny vavahady vy mihidy gadana ana hotely lehibe iray ny rano avy any ambonin’i Miandrarivo iny. Tsy nahatana ny rano ity vavahady vy ity, ka nivaha ary nivantana tany amin’ilay tamboho avokoa ny rano. Misy tranon’olona roa anefa tao ambadik’izany tamboho izany ka tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tany ho any dia nianjera tao amin’ity trano ilay rindrina, ka zazavavy vao 14 taona izay natory tao no tototra, ka namoy ny ainy. Tafatsoaka kosa ny zandrin’ity zazavavy ity.

Tamin’io fotoana io ihany dia efa niantso mpamonjy voina ny mponina eny Miandrarivo saingy, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora izy ireo vao tonga teny an-toerana. Ny fanalana ireo vato sy biriky teo ambonin’ilay trano no nataon’izy ireo voalohany, ka nanampy azy ireo tamin’izany ny fokonolona. Adiny iray taty aoriana vao afaka tao ambany tany tao ny nofo mangatsiakan’ilay tovovavy.

Manoloana izany rehetra izany dia nanao antso avo ny tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo sy ny Fanjakana ny mponina amin’ny tanàna iva rehetra fa raha mbola tsy voadio haingana ireo lakan-drano rehetra dia ahiana ny hahamafy ny fahavoazan’ny mponina.

Raha ny fanazavana azo avy amin’ny sampandran-draharaha mpamantatra ny toe-trandro mantsy dia mbola hitohy hatramin’ny fiafaran’ity herinandro ity ny orana eto Antananarivo sy saika manerana ny Nosy ankoatra ny any amin’iny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana iny. Mila mailo ihany koa, araka izany, ireo mponina rehetra mipetraka amin’ny tanàna iva sy ny moron-drano mba hamonjy toerana avo. Tiaray R Ino Vaovao.

Orana mikija : Olona 7 no namoy ny ainy teto an-drenivohitra, tovovavy 14 taona ny roa

Tao anatin’ny roa andro (alarobia sy omaly alakamisy hariva) dia olona fito tsy manan-tsiny no fantatra hatreto fa namoy ny ainy maty an-drano, ka ny nofo mangatsiakan’izy ireo sisa no hitan’ny olona rehefa nitsahatra ny orana. Ny enina tamin’ireo, raha ny vaovao, dia maty vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsak’orana nikinja ny harivan’ny alarobia teo.
Olona telo namoy ny ainy tetsy Mahavoky Besarety, ka mbola tsy hita hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra ny razana iray nentin’ny rano, raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany. Vehivavy iray tokony ho 35 taona eo ho eo ihany koa no maty teny Ampandrana Antsinanana. Nandeha namonjy fodiana tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina ity ramatoa ity no tsy maintsy mandalo tetezana tsy misy arofanina ireny. Difotry ny rano anefa io tetezana io ka dia tsy maintsy nandeha anjambany hany ka nivarina tany amin’ny tsy tokony ho naleha, dia nentin’ny rano. Zazavavy kely iray 14 taona natory tao an-trano no namoy ny ainy nianjeran’ny tamboho manana haavo 4 m teny Miandrarivo Ambanidia. Ary olona iray hafa maty vokatry ny fiakaran’ny rano hatrany tetsy Antanandrano. Fa tovovavikely 14 taona maty an-drano niara-nilamano tamin’ny  reniny tamina bodo filomanosana iray tetsy Anosizato, ny alarobia tolakandro teo.

Lasibatra foana ny tanàna iva rehefa betsaka rotsak’orana. Tsy ampy ny lakan-drano hivoahan’ny rano, ary maro amin’ireo tatatra no mbola tsy voadio ka tsy afaka mikoriana tsara ny riaka, ka dia ahiana ny hahamafy ny fahavoazan’ny mponina, satria raha ny fanazavana azo avy amin’ny sampandrandraharaha mpamantatra ny toe-trandro mantsy dia mbola hitohy hatramin’ny fiafaran’ity herinandro ity ny orana eto Antananarivo sy saika manerana ny Nosy, ankoatra ny any amin’iny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana iny. Mila mailo ihany koa, araka izany, ireo mponina rehetra mipetraka amin’ny tanàna iva sy ny moron-drano mba hamonjy toerana avo.

Eric Manitrisa Midi M/kara

Intempéries : Tana renoue avec ses déboires

Scène désormais banale, les chaussées inondées.
Scène désormais banale, les chaussées inondées.

Une soirée de fortes pluies à Tanà et bonjour les dégâts.

Rues inondées, coulées de boue à certains endroits, des chaussées fortement dégradées, des embouteillages monstres, ne représentent qu’un aperçu des déboires des Tananariviens, en temps d’averses. Ainsi, après les quelques semaines de forte chaleur qui a fait suffoquer la population de la capitale, voici qu’elle  renoue avec les déboires, dues notamment aux pluies abondantes : des chaussées qui se transforment en véritables rivières, des traversées de rue en charrettes ou à dos d’homme, des robes remontées jusqu’à la taille. D’Ankorondrano à Analakely et Anosy en passant par Analamahitsy, Alarobia, les quartiers des 67ha, ainsi que l’ensemble des bas quartiers, jusqu’aux périphéries, les rues inondées sont à l’origine de nombre de désagréments que subissent les habitants d’Antananarivo. Outre le ralentissement de la circulation en raison de la montée des eaux, les rues sont également devenues, un peu partout, truffées de pièges que sont les canaux immergés et autres trous béants qui exposent les passants, notamment les enfants non accompagnés, à de graves dangers. On se rappelle de quelques cas d’accidents mortels : des passants engloutis par ces trous invisibles sous les eaux.

Les dernières pluies qui se sont abattues sur la capitale ont également fait ressurgir les menaces d’éboulement ou de glissement de terrain. A Manakambahiny, une maison qui s’était écroulée a fait une victime mortelle : une fillette engloutie sous les gravats, n’a pas survécu. Un cas qui en rappelle plusieurs autres durant la dernière saison pluvieuse, pendant laquelle les quartiers situés en hauteur ont été particulièrement exposés à des menaces de glissement de terrain.

Hanitra R. Midi M/kara

 

Iarivo harivariva 3

Iarivo alinalina

 

logo Tanà

 

 –

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s