Lany andro mihirahira, mivorivory, mangatangataka, mangoronkarena (Christiane Ramian).

hvmandafy

Lany andro mihirahira
Lany andro mifetifety
Ny fotoana voaviravira
Tsy voaarina izay tsy mety

Lany andro mivorivory
Lany andro mikasakasa
Rehefa reraka dia matory
Ka indrisy tsy natao ny asa

Lany andro mimonomonona
Lany andro mitsiriritra
Rehefa antsoina nefa tsy vonona
Mody fanina mipitrapitra

Lany andro mangatangataka
Lany andro mitrosatrosa
Tsy te hiasa mba hikarataka
Nefa ny zanabola efa miavosa

Lany andro mangoronkarena
Lany andro mamitak’olona
Ny atidoha feno hafetsena
Ny fanahy mihitsy no atao sorona

Adino ny asa sy ny tena ilaina
Dia izao no vokany mihosimpotaka
Ny rendra sy laza no nameno saina
Izao no vokatry ny rotadrotaka…

:::::Chris©2016::::::

Christiane Ramian

 

 

c2f4c-c

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s