Kick Boxing, Severin Mamonjisoa. Champion du monde. Vidéo.

Aimé Rasombiniaina. 19/01/2016.

 COMBATTRE LE KERE ( LA FAMINE) PAR LE KICK BOXING EST-IL POSSIBLE ?

Notre champion du monde en matière de combat professionnel de kick boxing de catégorie moins de 60 kg vient du grand Sud de Madagascar où le kere (la famine) ne cessait de tuer le peuple à travers de siècles à cause de l’insuffisance notoire des pluies. Il s’appelle Séverin Ramamonjisoa. Le russe tenant du titre mondial a été battu par lui l’année dernière, une victoire qui mérite d’être parlée et discutée actuellement,…..mais le silence tue cette bonne nouvelle…..On s’accorde à dire qu’il est devenu un petit militaire millionnaire grâce au kick……Comme il a de familles dans le Sud qui sont actuellement en proie de kere (de la famine), il peut les aider pour combattre ce fléau millénaire…… Vive! Ramamonjisoa Séverin. Si vous aimez Séverin notre héros national,….partagez cet article…….Nous allons combattre avec lui le kere dans le Grand Sud……

KICK-BOXINGarticle : Lavon’i Mamonjisoa Severin i Zarub efa tompon-daka eran-tany in-4

Fanomezana lehibe ho an’ny faran’ny taona no natolotr’i Mamonjisoa Severin ny Malagasy. Norombahan’i Severin Mamonjisoa ny fehikibo lehibe miloko ranombolamena sy ny vola 25 000 Euros rehefa nandresy an’i Zarub Faroyan tamin’ny alalan’ ny KO izy.13 janvier 2016

Notanterahina tany Rosia ny alahady 27 desambra tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany alina ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany eo amin’ny sokajy zazalahy latsaky ny 60 kg. Nifanandrina tamin’izany i Mamonjisoa Severin avy aty Madagasikara sy Zurab Faroyan teratany rosianina. Teratany malagasy mandranto fianarana any Rosia sy lehilahy iray avy any Hongria no mba nikarakara an’i Severin nandritra ny fifanandrinana.

Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena vao nisy Malagasy nandray anjara tamin’ny ady matihanina (combat professionel). I Severin Mamonjisoa no nisantatra izany teo amin’ny taranja Kick boxing. Teratany rosianina, Zurab Faroyan izay efa tompondakan’i Eoropa impolo sy efa nibata ny tompon-daka eran-tany inefatra no nifanandrina taminy. Ity solontena malaagasy izay tompondakan’i Afrika eo amin’ny sokajy latsaky ny 6O kilao sy tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ary efa in-6 nahazo ny tompondakan’i Madagasikara.

Fifandonana anisan’ny nandrasan’ireo Rosianina marobe tonga nanatrika ity fifandrinana teo amin’i Severin sy Zarub ity. Nanatombo teo amin’ny isan’ny mpijery sy ny horakoraka i Zarub raha nanatombo teo amin’ny hakingana sy tanjaka kosa i Severin. Marihina fa in-5 niditra amin’ny 5 minitra ny fifanandrinana saingy tany amin’ny fihodinana faha-4 kosa no nilavo lefona ilay teratany rosianina. Raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Kick Boxing, Briand Andrinirina dia nanjakan’i Severin tanteraka ilay Rosianina. Tokony ho efa nanajanona ny fifandonana tany amin’ny fidirana voalohany ny mpitsara saingy noho ny henamason’ny mpitsara ireo Rosianina marobe tonga nanohana ny atletany no mbola nanohizany azy.

Na teo aza anefa izany dia voatery nilavo lefona ihany ilay Rosianina Zarub tany amin’ny fiodinana faha-4 rehefa nianjera in-4 tamin’ny tany.

Hampitombo ny lazan’ny fanatanjahantena malagasy any ivelany eo amin’ny sehatry ny matihanina ity fandresen’i Mamonjisoa Severin ity. Nisaotra ny filohan’ny Federasiona malagasin’ ny taranja kick boxing izy nandritra ny fandraisam-pitenany tamin’ny fanolorana ilay fehikibo ho azy. Tsy hadinony ihany koa ny nisaotra ireo mpikarakara ny fifanindranana rehetra sy ny mpifanandrina aminy.

Tiaray R. Ino Vaovao.

Photo de Aimé Rasombiniaina.

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s