Ra-malagasy, Nary (Mamitiana Randrianarison).

Ravalomanana.

Maro ny henjika sy ny eso
Ito isika fa miroso
Tsy mihemotra an-daharana
Ka n’inona n’inona sampanana
Dia dadanay Ravalomanana

Sesin-tany…setrasetra
Fanonganam-panjakana mihitsy
Noho ny fankahalana maro
Nefa am-pon’ireo vahoaka
Tena mbola mahatadidy
Na niezahana hofoanana
Mbola io RAVALOMANANA

13/12/2015. Nary (Mamitiana Randrianarison).

00667-r8252822529

 

FAKON-DRAMALAGASY

Fakofako resaka
Tsipitsipy andraikitra
Fakona mpitondra
Ny asa miha miraikitra

Fakofako hevitra
Kisa velam-pandrika
Fako mihevotrevotra
Salan’isa sandoka

Fakofakon’olona
Noana sy tovetraka
Fakom-piarahamonina
Fakon’hetraketraka

Fakofako tsinjo
Tsy ankijery ho avy
Fakona lanonana
Revo manala azy

Fakofako jery
Tsy jery ireo tsy manana
Fakon-dreo mpiliba
Miliba tsisy farany

Fakofakon-tany
Sisa ny an’ny gasy
Faritan-dreo karàna
Izay manan-taratasy

Sondriana resa-pako
Izao mangasihasy

31/12/2015. NARY (Mamitiana Randrianarison).

Photo de Mamitiana Randrianarison.
 Photo de Mamitiana Randrianarison.

 

SARIMIHETSIKA HAFAHAFA

Sarimihetsika hafahafa
Ny an’ialahy ry gasikely
Zary hitsiny sy rariny
Ary tsy dia mahagaga
Ny mahita ireo mpitondra
Manao vahoaka ho apondra
Tsy te hahalala sy tsy rototra
Miliba vola tsy hita fototra

Sarimihetsika hafahafa
Fa ny kolotsaim-bazaha
Ny finoany ihany koa
ambetin-dresaka mazana
Tsy radada tsy raneny
Ilaozany mitory teny
Miandry baikom-pasitera
Fitahiana no asera

Sarimihetsika hafahafa
Fa milaza ho mahantra
Nefa revy etsy eroa
Mbola ho ela vao hifoha
Vonona ny tena hanohitra
Sy handeha hiaro vohitra
Mitady lasan-dreo vazaha
Zary diso sahisahy

Sarimihetsika hafahafa
Ireto ambara fa hoe tandroka
Nantenaina mba hitroatra
Hiady ho an’ireo vahoaka
Lasa mpikarama an’ady
Tsy hahefa ireny voady
Maty ho an’ny tanindrazana
tsy mba rototra mitazana

Sarimihetsika hafahafa
Ny an’ialahy isany Rajao
Vola avy aiza ireny tratra
Efa misy firy vata?
Sao dia resaka maloto
Efa fanaonareo sy i Koto
Mihombo harena… Tena tafa
Sarimihetsika hafahafa…

17/12/2015. NARY (Mamitiana Randrianarison).

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison. Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Nary (Mamitiana Randrianarison)
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s