Zanahary, Andriamanitra. « Ny Finoana, safidy fa tsy anjara », Christiane Ramian.

Zanahary

Halavito alavitra any
Ny teny fananarana,
Ny andininy, laharana,
Raha mbola be vinany

Tsy anjaranao mihitsy
Ny manova izay lalako
Na hitarika ny tanako
Fa ny anao aloha hahitsy

Ny finoana samy miravaka
Fa ny ahy tsy mila dera
Afafy anaty serasera
Hisehoana fa mpivavaka

Tsy ny teny nofantenina
Mampetimpety ny sainao
No hanova izao tontolo izao
Sy izay rehetra afenina

Fa na feno voninahitra
Na ambony tapitr’ohatra
Tsy dia mankaiza loatra
Raha mananihany Lanitra.

Ny fanahy izay hita ivelany
Na toetra ratsy na hoe tsara
Mainty rehefa maramara
Tsy misy ny anelanelany

Fotoana very ny manonona
Ny tompo sy miandry mana
Ho lavo isaky ny fitsapana
Fa dia mahaiza mionona

Tsy avy amin’ny finoana
Ny fahendrena sy ny tsara
Safidy izany fa tsy anjara
Aza minomino foana

 

05/02/2016. Chris© Christiane Ramian

Christiane Ramian
_
MCM de Paris

MCM

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s