7 Février 2016. Ravalomanana, Rajoelina, Charles, Lylison, Mapar. Don Dresaka TV Plus.

Kabarin’ny Filoha Marc Ravalomanana

Nanambara izao ny Filoha Marc Ravalomanana teny Imerikasinina rehefa nandray fitenenana.  « Tsy maintsy mivoaka ny marina momba’ny raharaha 7 febrory 2009.Ny marina tsy mba maty, ary tsy namono olona aho na iray aza. Tsy mijaly aho amin’izao fotoana izao fa ory mahita ny vahoaka Malagasy mijaly. Io lapan’ny tanana misy an’i Neny io, nanome 5 miliara ny ben’ny tanana Andry Rajoelina aho tamin’ny nitondrany hanamboarana ny lapan’ny tanana. 

 Mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 :  « Mbola 2016 izao, aleo aloha hosokafana ny tiko hanasoavana ny vahoaka » Momba ny frankofonia : « Tsy manan-kolazaina aho fa ny taniko aza nalainy ». « Tsy milaza ho mpanohitra ny tim ankehitriny satria matahotra mpanohitra io fitondrana io dia aleo tsy miteny. misy fotoana ny zava-drehetra ». Farany « Rehefa mamboly hazo dia mila tondrahana fa tsy hatsatoka fotsiny ».

Marc Ravalomanana : tsy misy raha mandeha eto amin’ny firenena !

Marc Ravalomanana : tsy misy raha mandeha eto amin'ny firenena !

 Nanatontosa ny fambolenkazo teny Imarikasinina, notarihin’ny Filoha Ravalomanana ny antoko TIM androany 6 febroary . Nisy valandresaka fohy nataony tamin’ny mpanao gazety tamin’izany ka nilazany ny heviny momba ny toe-draharaha eto Madagasikara. Toe-draharaha anjakan’ny tsy rariny. Ny zava-misy eto amin’ny firenena no notanisainy : mpitondra tsy mijery vahoaka noana, fiaraha-monina feno herisetra sy fampihorohoroana, fampisotroana rano maloto ny vahoaka. Tany tsy tan-dalàna.
Efa feno fahasarotana ny fahazoan’ny olona mampanjaka ny zony hifidy kanefa dia mbola arahina fanitsahana ny lalàm-panorenana izany. Ny olon’ny lalàna izay tokony hampanjaka ny fahamarinana no voarohirohy amin’ny asa ratsy ka miatrika fitsarana. Ny tsy fanajana izay nosiniavina sy ny tsy fanomezana hasina ny mpiray tanindrazana mahatonga ny tsy fifampitokisana : ny zavatra nosiniavina tao amin’ny « feuille de route » tsy misy arahina, tsy misy fanomezana fenitra amin’ny maha filoha azy teo aloha ; ny mpandraharaha malagasy tokony hampandeha ny toe-karena tsy afaka mifanaraka amin’ny mpitondra fanjakana intsony.
Etsy an-daniny dia sady mahazo vahana no manararaotra ny zava-misy ny mpanambola vahiny vitsy an’isa manjakazaka eo amin’ny firenena. Mpitondra fanjakana tsy mahataty mpanohitra hoy izy no misy eto raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny toeran’ny antoko TIM ny tenany. Tsy lian-drà sy korontana ny tenany, fa tsy manakana azy hiteny ny zava-misy sy tsy mety izany. Andro mialoha ny 7 febroary moa izany andro izany koa dia fotoana nanamafisany fa ny tenany dia tsy nanao fandatsa-drà teto amin’ny firenena izay hanendrikendrehana azy. Sarotra hoy izy ny miady amin’ny marina ary ny marina marina foana. Ao anatin’izany fotoan-tsarotra izany dia mijoro mandrakariva ny Filoha Ravalomanana manome fanantenana ny vahoaka. –

 TIM.

 _
Dirigeants sans vision

 

L’ancien président Marc Ravalomanana a qualifié les dirigeants actuels de « dirigeants sans vision ». Nous empruntons une « wrong direction » a-t-il lancé dans la langue de Shakespeare. Le respect mutuel n’existe plus à Madagascar, a-t-il martelé. Et lui d’enfoncer le clou en déclarant qu’il n’y a plus rien qui marche dans le pays.

Rajoelina 7 Février 2016.

Tovonirina Martial. Aty @ tanin’ny Jamba sy marenina indray ny ketrika e Tsy maintsy aty aminareo indray izaho no mitady atao sorona fa ao Tana efa fantany fa IZAHO no namono ny havan-dry t@ 2009 !

Comme il y a 7 ans quoi. Cette année, l’ancien Président de la Transition est allé distribuer des vivres et de l’eau dans le sud. Soit dit en…
T.CO
MADAGATE  (sary).

Andry RAJOELINA au chevet des sinistrés dans le sud de Madagascar

Photo de MADAGATE.

MADAGATE  (sary).

 

-Tuerie du 7 février : Commémoration placée sous haute sécurité

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s