« Voizo ny anareo e », Nary (Mamitiana Randrianarison).

Mamitiana 1

VOIZO IHANY NY ANAREO E…

 

Voizo hatrany ny anareo
Efa indro manakaiky
Ireo valala vaky romotra
Hamotipotika anareo
Toa tsy laitra mba anarina
Fa alohalika ny rano
Tsy hisiana ady an-trano
Mbola be dohika ihany
Mety voa vao hanontany…?
Hoe inona izy teo…?

Voizo jiaby ny anareo…
Ireny abobo sesehena
Koa ny doka fandrosoana
Tena pahana ianareo…?
tsy hahita mihitsy mihitsy
Ireo vahoaka maty noana
Izay nanohana anareo
Sorona izay tamin’izany
Zary lafika hianihana?

Voizo ao ho’ah ny anareo
Tokoa tokoa dia aza gaga
Raha ho avy ireo hizizo
Hitaky ankeriny ny anjarany
Fony nambakainareo
Ho avy hamotika tanàna
Ary handripaka karàna
Ho vaindohan-draharaha
Ny handroaka ireo vazaha
Efa tena mankaleo…

Voizo ihany ny anareo
mantsy efa ranom-potaka
sisa izao no atao fisotro
Madio ihany hoy ianareo
Nefa tsy gohanareo…
Manapoizina madinika
Sa minia dia manamavo?
Rehefa mby mipetraka eo

Voizo foana ny anareo
Fa izahay koa efa lasa
Hivoy izay ambaranay
Ireo tsy mety ataonareo
Moa va re dia donto sofina?
Tandremo lahy fa hisampotona
Hanjerazera sy hamingana
Andraso ihany dia jereo
tena ho avy io avy eo

Izao…
Voizo aloha ilay anareo e…

08/02/2016. NARY (Mamitiana Randrianarison).

 

Mamitiana 2
Mamitiana 3
Mamitiana 4
Mamitiana 5

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire