« Zanahary samihafa », (Christiane Ramian).

Zanahary samihafa

 

Nohambaniany ny amiko
Sy izay mba ninoako
Nialako koa ny sampiko
Izay nokolokoloiko
Izaho nino an-Janahary
Sy ny Razako rehetra
Notereny hino ilay tary
Avy any Nazareta

Anaty aizina hono aho
Fa ny azy no mazava
Ao amin’ny teniny vaovao
Ny tany dia ho rava
Raha voatehamaina
Dia omeko koa ny iray
Ny tokony ho ao antsaina
Dia ilay mandrakizay

Nofongoriny tsy ho tiako
Ny fomba sy fanaoko
Ny tokony hikiriako
Dia ny hamoy ireo kilalaoko
Tsy hiary ety antany
Fa hiahy ny any ankoatra
Dia navelako any
Izay hiasa sy hanamboatra

Afoiko koa ny havana
Sy izay manohitra ahy
Dia nisara-bazana
Ireo samihafa « fanahy »
Ny tokony himasoako
Dia ny hanoa sy ho mpino
Ny tantaran’ny fotorako
Dia navelako sy hadino

Ny azy no niasako
Sy nikelezako aina
Ny ahy tanaty fako
Ny anarako novaina
Nasainy hankato
Na voatsindry aza
Fa tsy hahazo soa
Raha tsy lasa toy ny zaza

Raha nihiratra ny saiko
Nangasihasy ireo tanako
Hay moa aho efa voabaiko
Hamoy ireo fananako
Ka tsy ho afaka hitaky
Fa lasany avokoa
Ny anjarako mamaky
Ireo teny mahasoa

Aminy aho no miankina
Na hividy na hivarotra
Ny taniko efa tankina
Ny fiainana hono sarotra
Ny fanatontoloana
Indray no noventesiny
Tohin’ny fanabadoana
Ny tontolo efa feheziny.

Finoana samihafa
No nafafiny eto antany
Mifandrafy mihafahafa
Nefa samy olona ihany
Amidiny ny basy
Hiaro sy hamonoana
Avy eo mangasihasy
Fa kere sy noana

Ny azy endrey mamiratra
F’ilay finoana nandevozany
Naleviny an’irotra
Mamehy azy ka nilaozany
Ianao tavela teo
Miady ho an’ny finoany
Maneno omeo omeo
Fa izy tsy eo intsony.

Zanahary samihafa
©Chris 9-2-2016

 

Photo de Christiane Ramian.

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s