« Atao akory re…? ». Nary (Mamitiana Randrianarison).

ATAO AKORY RE…?

 

Aoka leiretsy a…

Mba manao soa hoe ka arentirenty?
aranga anoloana toa sora-baventy…
Mba mody mizara raha ela no naka…
mantsy fa tahotra ny ho very laka

Foana tehafo na dia mitsambikina
Tsy mety ataony hono aza roritina…
Tsy songonana koa raha hanao asa soa
Izy hono mantsy no atao hoe filoha…

Bedy ianareo raha minia mihirahira
Mitari-bahoaka na manisy sira
Miasa izy mantsy… Efa hatry ny omaly
Ka miareta hoe ry gasy… Na efa mijaly

Fa tsy hitanareo ve ny ezaka vitany?
Orinasan’ny gasy efa be no naripany
Izay mantsy sisa efa lany safidy
Bokana trosa tsy maintsy ho amidy?

Mahomby tokoa raha ny asan’ny tafika
Tena maty paika ary koa tsara rafitra
Famoretana vita… Fandrobana manjaka
Mianto-tena eo ry gasy fa tahotra haratra…

Aza be tatasiaka…fa izay ilay tsy tiany
Tapenany eo mihitsy raha be fanakiana
Rabetarehy hoe tsy maintsy mahomby
Mikisaka eo foana io na dia mitrotrongy

12/02/2016. NARY (Mamitiana Randrianarison).

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s