« Fony aho nanaraka ilay Zanahary », Christiane Ramian.

« Fony aho nanaraka ilay Zanahary »

 

Fony aho nanaraka
Ilay Zanahary
Tsy nahay nanasaraka
Ireo zava-boary
Ny herin’ny fihavanana
No nololohaviko
Ny trano fivavahana
Dia ny mpianakaviko

Nohajaiko ny taniko
Sy ireo Razambeko
Tsy nisy nindramiko
Na koa nomeko
Ny fahendrena
No zava-dehibe
Dia ny fanekena
Ireo olondehibe

Naleo vola no very
Noho izay very havana
Tsy nisy hoe irery
Fa maro ireo namana
Tsy nandrotsa-drakitra
Fa nahay nanome
Tsy naniry ho any andanitra
Fa eny Ambondrombe

Tsy nino dia sitrana
Fa nitady fanafody
Nahatoky ny vintana
Tsiny sy tody
Tsy nahavanondratsy
Nanahy ny ifoterany
Tsy mba nanambasy
Fa ny teny no erany

Aiza ho aiza ary izaho
Amin’ny ankehitriny?
Ilay Mahagasy anao
Efa natakalo vahiny!
Efa manja mangirana
Vao mivoaka hivavaka
Raha sendra sahirana
Dia hita miavaka

Efa feno rapasy
Ny elakelatrano
Ireto ondry gasy
Voatantara angano
Variana mihaino hira
Manalefaka fo
Ny poketra voavira
Manantena ny soa

Ilay tany sy firenena
Endrey lasa any ankady
Mahantra harena
Nefa isan’ Alahady
Mihaingo marevaka
Tsy misy pentina
Ny asa antandrevaka
Ny fo feno aretina

Iny manantona iny
Ry zareo Silamo
Ianao tia vahiny
Mandehana andramo
Fa ny antsika gasy
Efa halanao ihany
Rehefa atsy ho atsy
Aza mitomany….

Rehefa niala
Amin’ny hazo fijaliana
Dia miantso an’i Alà
Mitodika any aoriana
Misarondoha, miteny arabo
Mivatravatra fiteny
Amin’izay ianao babo
Zary lasa fireneny…

Zanahary©

19/02/2016. Chris©, Christiane Ramian.

Photo de Christiane Ramian.
Zanahary
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s