« Iarivo », Christiane Ramian.

Ph. Oct 2014. MCM.

Iarivo

 

Rehefa mandalo eo ambanin’
Ireo zakarandahy
Dia manembon’ilay tany
Nahatanora ahy
Ny pitipiti-drano afafin’
Ireo jorery
Volomparasy zary fitafin’
Ny fo manirery

Raha sendra miakatra eny
Ampamarinana
Tsy hay ny tsy hiteny
Fa mba tsara vintana
Manana an’ity tanàna
Tsy manampaharoa
He tsaroana tsy hay fafàna
Fa nahasoa

Raha avy any ambanivolo
Ka handeha hody
Dia ilay Rova tsy mba voasolo
No mandre ilay haody
Mitsilopy ireo jiro kely
Io ilay tanànako
Tsy adinoiko velively
Fa anjarako

Na mamiratra aza ny aty
Na madio tsy tasy
Sanatria aho ka tsy ho tia
Ny Mahamalagasy
Ireharehako na trotraka aza
Na mahantra mafy
Hijoro aho ary hankalaza
Azy aty Andafy.

Chris ©

20/02/2016. Christiane Ramian.

 

Anosy 2

Ph. 2016. Malagasy AHO ღღ Malagasy ISIKA

Ph. Octobre 2014 MCM.

 
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s