« Hiaka-dapa ianao », Nary (Mamitiana Randrianarison).

streetart 2

Hopare #streetart

 

HIAKA-DAPA IANAO

 

Hotsenaina tehaka…
Hoby marobe, ny fiavianao
Re hatraiza hatraiza,
ny hiakan’izy ireo…
Andeha hitsena anao

Ianao ilay ampiakariko…

Tinondrotsika ela
ny tononandro androany
Misandratra alahamady
Finatotry ny vintana…
Alavitra tomany…

hiaka-dapa ianao
Finidy tamin’ny maro
Tsy soratr’endrikao
Na lantobikanao…
Fa ilay fanahy tsy miharo…

Avia dia manatona
Tompoko andrianiko
Renin’ny ho taranako
Hifehy izay mba hananako…
Ilay tokako nomamiko…

Lanonana io niany…

Ny lanitra tomaratra miloko volamena…
No sehatra hisandratana ny voadintsika roa…
Tokantrano sambatra feno fahendrena
Ho soa sesehena sy tsy manam-paharoa

NARY (Mamitiana Randrianarison)

24/02/2016.

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Mamitiana Randrianarison

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s