27 Février 2016. Le couple Ravalomanana a assité à la célébration du 80ème du syndicalisme à Madagascar.

Fankalazana ny faha-80 taonan’ny sendikalisma malagasy androany sabotsy 27 febroary tao @ kianja mitafo Mahamasina.

Mahamasina 10 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 12 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 8 F

gvalosoa fév 27 2016

Mahamasina 9 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 6 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 5 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 4 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 11 F

gvalosoa fév 27, 2016

Mahamasina 7 F

gvalosoa fév 27, 2016

 

Mahamasina 27 F

gvalosoa | fév 27, 2016

Mahamasina 3 F

gvalosoa | fév 27, 2016

Mahamasina 2 F

gvalosoa | fév 27, 2016

Sendikalista hono !

2 mars 2016

 

Manana ny toerana ny sendika eo amin’ny fiainan’ny firenena. Any amin’ireo firenen-dehibe dia manan-danja noho ny antoko politika aza ny sendika rehefa haneho hevitra sy hanao hetsika, matetika aza any ivelany any raha vao mihetsika ny sendika dia mandray andraikitra avy hatrany ny mpitondra amin’ny fihainoana izay ambaran’ny sendika. Ny tiana hasongadina dia tsy antoko poitika ary tsy miankina amin’ny antoko politika ny sendika fa fiaraha-mientan’ny mpiasa sy ireo mitovy asa saingy ny eto amintsika dia fitaovan’ny antoko poitika ny sendika. Ny 01 Mey andro manerantany ho an’ny mpiasa dia andro natokana hanehoan’ny mpiasa ny fisiany sy izay heveriny fa hampandroso ny sehatrasany.Noho izany ny hetsika fanao rehefa 01 Mey dia hetsika sendikaly izany hoe ataon’ny mpiasa tsy misy idiran’ny antoko politika. Saingy indrisy ny teto amintsika indrindra tamin’ny repoblika faharoa, ny sendika dia miankina tamin’ny antoko poitika. Serema ho an’ny Arema, Fisemare ny an’ny Akfm Kdrsm, Sempimito ny an’ny Monima, tolon’ny mpiasa ny an’ny Mfm, sns dia ireo sendika miankina amin’ny antoko poitika no nampilaharina tamin’ny Repobika faharoa mankalaza ny 01 Mey.

Nandritra ny fotoana nitondran’ny filoha Ravalomanana vao nanomboka nisongadina ny sendikan’ny mpiasa tsy miankina amin’ny antoko poitika toy ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka), sendikan’ny paramed, sns. Fa nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita nentin’ny mpanongam-panjakana ka hatramin’izao fitondrana lazaina fa ara-dalàna izao dia miverina indray ilay fomba fanao tamin’ny Repobika faharoa na tsy ambara aza ilay antoko politika ao andamosin’ilay sendika toy ny sendikan’ny artista, ny sendikan’ny mpanao gazety sns.

Nibaribary  tamin’ny Sabotsy teo ny nataon’ireo artista mitonona ho mpikambana  ao anatin’ny « sendikan’ny artista » . Iza daholo  ireo mpikambana ao fa tsy ireo nankatoa ny  fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ary mpiaro fatratra an’Ingahy Rajoelina , singanina eto ireto anarana vitsivitsy ireto : Rossy ilay nandrasana ho tonga teto amintsika tamin’ny 07 Febroary 2009 nafarana manokana hanafana ny teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey saingy tsy tonga ary io mpanankanto io no nohindraindraina fatratra tamin’ny nametrahana ny mpanongam-panjakana ny 21 Mars 2009, ary mbola miara dia amin’Ingahy Rajoelina hatramin’izao. Henri Ratsimbazafy ray amandreny mendrikanja kanefa dia tsy tahotra tsy henatra nanindrahindra an’Ingahy Rajoelina ary nihira mihitsy hoe :  » misaotra anao aho ry Andry Tgv « , izy ihany koa ilay lazaina fa raiamandreny mijoro tamin’ny fotoanandrony. Ndriana Ramamonjy ilay tsy mety lany depiote anisany tsara toerana teo amin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra nandritra ny fitondrana tetezamita ary tsy  miala teo raha tsy taorian’ny nisian’ny ben’ny tanana voafidim-baoaka ara-dalàna tamin’ny taon-dasa. Ireo anarana voalaza ireo dia mampiseho mibaribary fa sendika baikon’ny Tgv sy Mapar io mitonona ho « sendikan’ny artista » io ary ny fahatongavan’ny birao politikan’ny Mapar sy ireo solombavambahoaka sy  loholon’ny Mapar teo amin’ny kianja mitafon,’i Mahamasina dia manamafy  fa sendika miankina amin’ny antoko politika io.

Ny tanjon’ny hetsika nataon’izy ireo tamin’ny Sabotsy teo dia ny handragitra ny Hvm ka natao izay nanasana an’i Neny Ben’ny Tanana sy i Dada izay fantatr’izy ireo tsara fa ho tonga miaraka amin’ny vadiny. Izy mivady ihany moa amin’ny maha mpivavaka azy dia vonona amin’ny fifamelana ary i Dada anie hatrany Addis Abeba , Maputo, Pretoria, Gaborone dia efa nandefitra foana ary vonona amin’ny fampihavanana  ny samy malagasy. Nisy fiaraha miala hetaheta sy fiarahana maka sary tao amin’ny kianja mitafo izay novoizin’ny gazety sasany fa fiarahan’ny samy Tim sy Mapar kanefa anie ny antony nahatongavan’i Dada sy Neny tao  dia famaliana ny fanasana nataon’ireo mitonona ho « sendikan’ny artista » ary tao amin’ny kianja mitafo izay iadidiany no nanaovana ny hetsika.Tsy lavina fa mety misy hevitra tsara ampandrosoina ny zavakanto sy ny kolontsaina ary mahasoa ny tananan’Antananarivo Renivohitra avy amin’ireto mitonona ho « sendikan’ny artista » ireto fa ny tsy takona afenina dia i Rajoelina no ambadik’izy ireo ary  maka ny fon’ny olona amin’ny fakana sary miaraka amin’i dada sy i neny. My Dago

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s