« Izaho no masina », Mamitiana Randrianarison.

IZAHO NO MASINA

 

Aleo aho andeha hitory teny
Na amoron-dalana eny aza
Fa miaritra kely eny ho eny
Aoriana tsy maintsy malaza

Hisy fanamafisam-peo
maro fampanantenana
pasitera ihany aho avy eo
Maka andininy atao lalàna

Miha-mitombo ny mpanaraka ahy
Haka efitra izahay na kianja
Fa feheziko ireo tsy hivaha
Miara mihidy ao anatina manda

Ry mpino ao izao mahatoky
Tsy hijery izay efa nahoroko
Tsy ahoako ireo mantsy na gotry
Fa matahotra ireo raha hozoniko

Ireo indray dia tsy afa-hikofoka
Ny teniko mantsy no arahany
Ary ireo tonga saina na tofoka
Dia ho tojo fanavakavahana

Dia manofy ireo miandry ny tsy hita
Sy mandoa ampahafolon-karena
Izaho mandeha hatrany Amerika
Mety ho lasa filoham-pirenena?

NARY (Mamitiana Randrianarison)

25/02/2016.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s