« Ny finoana », Christiane Ramian.

Ny finoana.

 

Mahagaga fa ny mpino
Voarebirebin’ny ady hatrany
Asa ve dia nanadino
Fa taloha anie iray ihany…

Samy nanangana alitara
Nino izay andriamaniny
Nihataka nizarazara
Samy nanana ny taniny

Nifamely, nifamono
Samy miventy ilay fitiavana
Samy feno romoromo
Manao basy atifi-kavana

Samy nanokana andro iray
Samy miandrandra paradisa
Samy Andriamanitra ilay Ray
Fa ondry feno disadisa

Erantany rà mandriaka
Miady antrano, misetrasetra
Jiosy, arabo, katolika
Protesta sy ny mpino rehetra…

N’aiza n’aiza ny azy ho ambony
Tsy misy masina ohatr’ahy
Aza izao tontolo izao hono,
Fa izay hananana arotsahy!!!

Misarondoha, misarontava
Misarontsaina, sarotra fiaina
Mpitaribato vilambava
Mpisandoka milalao aina.

Raha tena Mpino marina
Tena onenan’Andriamanitra
Dia tia ny hafa sy manarina
Izao sy Eto fa tsy any andanitra.

Raha Mpino toy izay daholo
Tsy misy ady sy fariparitra
Ho paradisa ity tontolo
« Hiadana sy ho finaritra »

Tsy hionona amin’ny enga anie
Tsy hivavaka hiandry mana
Fa hanao ezaka lehibe
Ny tokatranonao Kanàna.

Ny finoana.

© Chris.Christiane Ramian.

26/02/2016.

Photo de Christiane Ramian.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s