Very Fanahy. Fitsaram-bahoaka. Tsy mety tonga saina.

Relief 5

Peintures et sculptures de Madagascar

Very fanahy

01/03/2016

Mety misy ny olona manamaivana ny resaka ara-panahy kanefa ny fanahy no maha olona, hoy ny Malagasy.

Tsikaritra tato anatin’ny fito taona izay fa manomboka mitombo isa ny Malagasy tsy manam-panahy intsony, mandeha amin’ny mokon-doha sy ny fiheverana fa mahay fotsiny fa tsy misy fandinihan-tena intsony. Lasa efa tsy mampaninona ny Malagasy sasany intsony izao ny maniratsira ray aman-dreny, manompa olom-pady, mitanjaka imasom-bahoaka, mamadika tsotra izao ny fianakaviana noho ny tombontsoa ara-bola, mamono ny namana noho ny fialonana, manolana zazakely …Maro be ny faharatsiana hita eto amintsika ka mahatonga ny fanontaniana hipetraka hoe efa tena very fanahy mihitsy ve izany ny Malagasy sa andevozin’ny fanahy maloto ? Satria zavatra tsy fahita tao anatin’ny fiarahamonina hatrizay no indro mitranga sy miha mahazo vahana. Ary ny tena mampihoron-koditra dia miha manaiky tsikelikely io faharatsiana sy fahalovana io ny firahamonina ary tena vitsy mba tsy hitenenana hoe tsy misy ny olona sahy mijoro manohitra izany sy miezaka manokatra ny masom-panahin’ny mpiray tanindrazana.

RTT. Tia Tanindrazana.

Zava-doza

29/02/2016

Zary lasa efa mahazatra ny mandre fa nisy fitsaram-bahoaka indray, hono, tary na tatsy, ary raha vao misy ny jiolahy tratra na olona heverina

fa nanao ratsy na nahavanon-doza teo anivon’ny fiarahamonina, dia lasa fomba fiasa tonga ao an-tsain’ny olona avy hatrany ny hoe : ny maso solon’ny maso ka alefaso aty izany jiolahy izany hanaovanay azy. Tsy sanatria fiarovana ny mpanao ratsy fa tsy mety ary tena sazian’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka. Lasa mitovy lenta amin’ilay jiolahy nanao ratsy ihany koa ny olona rehetra mandray anjara amina fitsaram-bahoaka ka mikasi-tanana sy mamono io jiolahy io. Ny tena loza dia sahy manafika tobina zandary sy miditra an-keriny amina kaomisaria mihitsy ny olona fa hoe hamoaka jiolahy mba hodarohana, ary matetika moa dia maty io fa tsy misy hoe maratra izany fotsiny.Hampikorontana tanteraka ny fiarahamonina ity fitsaram-bahoaka ity ary ny tena loza dia mety hiafara amina adim-paritra na adim-poko ilay izy. Manana adidy goavana hikaroka vahaolana amin’ity tranga ity ny rehetra dia ny fitondram-panjakana, firaisamonim-pirenena, ny fiangonana ireo raiamandreny sy olobe isam-paritra, ny fokonolona satria loza mitatao ho an’ny firenena io ary fitaovam-piadiana mahomby mety hampiasain’ny sasany ampiadiana ny samy Malagasy. Tandremo fa zava-doza, tsy fifanomezan-tsiny no tadiavina fa vahaolana mahomby !

RTT. TiaTanindrazana.

Tsy mety tonga saina

22/02/2016

Misimisy ihany ny resaka natao sy fampanantenana nokabariana teto

. Anisan’ireny ny hiady amin’ny kolikoly, avela haneho hevitra ny rehetra ka asiana kianjan’ny demokrasia, aoka izay ny mpitondra tsy refesi-mandidy ka aleo apetraka mihitsy ny fitsarana ambony hitsarana ireo manampahefana, hiara-kiasa akaiky ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, hanampy ireo sahirana ny fanjakana ka hizara na hivarotra PPN amin’ny vidiny mora, efa hita ny misy ireo lehiben’ny dahalo any Atsimo, efa voahodidina izy ireo, tsy afa-mihetsika intsony fa miandry fandaminana kely fotsiny sisa dia raikitra ny fanafihana miampy fisamborana … Mbola maro  no azo ambara fa ampahany ireo. Raha tanteraka ireo, efa mba nety tsara ny fiainan-dRamalagasy. Talentan’ny mpanao politika sy ny mpitondra eto amintsika anefa ny fanaovana fampanantenana poakaty. Ny ady seza sy ny fifankahalana kosa dia tena taranja voafehin’izy ireo, miampy ny ady tombontsoa toy ny fiara tsy mataho-dalana, vola hividianana fahana amin’ny finday sy taratasin-tsolika… Miha mahantra isan’andro ny malagasy satria ny mpitantana mihitsy no mampiana-dratsy ny vahoaka, dia samy tia tena eny, samy maka ho azy eny, hany ka tsy misy mihitsy ny tanjona iombonana iaraha-miatrika. Rahoviana vao ho tonga saina e ?

RTT. TiaTanindrazana.

streetart 3

Hopare #streetart

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s