« Ambatobevohoka », Nary (Mamitiana Randrianarison).

AMBATOBEVOHOKA

 

Rahoviana vao ho teraka?
I Ambatobevohoka…
Sasa-miandry ny rehetra
Efa firy taona izay…
Miaritra ireo setrasetra
Tsy mahatsinjo fivoarana
fahantrana tsisy farany

Rahoviana no afa-nono?
Ity zaza ratsy rotsy…
Efa firy taona izao
Mbola izao miakin-doha
Tena ho ela vao hifoha
Zatra hataka sy hanta
Io manompo Lafrantsa

Rahoviana vao ho taitra?
Iry Bematory ireo…
Efa hanaovany hadalana
Miharihary imaso izao
Ery sinoa eroa karàna
Manambanimbany anao
Mandrefy tany rehetra eny

Rahoviana isika retsy
Sahy hiaro tanindrazana…?
Mantsy ireto be bonetra
He dororo sy mitazana
Miaro ireto vitsy an’isa
Somokotra mamory harena
Vokina fitiavan-tena…

Rahoviana ho’aho rahoviana?
Ô ry nosindrazanay…
Sahy hitsangana ihany ianao
Andeha hanoa sy hamindra irery
Raha mitohy anie izao
Hororitin-dreo an-kery
Izato hoe fiandriananao e…

 

NARY. Mamitiana Randrianarison.

03/03/2016.

 

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Ocean Indien Mad
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s