08 Mars « andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy », Nitiah Nosy.

Ny fianana eto aky a!

 

Ny fiainana eto aky tsy vitan-tsento sy taraina a!
Tsy maintsy manamafy fo ary manatanja-tsaina!
Ra’ mandia ny tany indry mety ho potraka ihany,
reseo retsy ny hakiviana, aleo miarina hatrany a!

Ny fiainana eto aky tsy vitan’ny an-kiandriandry a!
Miezaha hahaleotena, ho vehivavy tsy mitamby!
Ny hery angaha no tsy mitovy, nefa na izany kosa,
ny herin-tsaina hamboniana, tsy ho naman’ny kanosa!

Ny fiainana eto aky tsy mba vita am-bava izany a!
Ny fandemena tsy ho foana, ra’ tsy arahan’asa hatrany!
Ka hisikino herim-po ‘reo tsindry maro mianjady,
Indry ‘ra te hitovy ZO, tsy maintsy miezaka sy miady!

Nitiah Nosy
05/03/16
19:07

08 Martsa andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, “Ny vehivavy fanaja!”

 

Ho an’ny zanako lahy!

 

Vehivavy aho no miteny an’ialahy,
tsy hanaotao foana toa biby fanahy!
Ka sanatria ny hampijaly vehivavy,
fa na zanako aza dia ataoko manavy!

Tsy inoko ialahy no hahavita an’izany,
fa anatra ny ahy, ‘ndrao solafaka ihany!
“Vehivavy fanaja”, raiketina an-tsaina,
tsarovy ny (ana)bavin’ ialahy raha ilaina!

Tsindriko tsara ary hafatrafarako:
“tsy mamono vehivavy” ra(ha) mbola taranako!
Tandremo mivaona fa tsy mba ho avelako,
f’io ny ahy no resaka tsy mba handeferako!

Mandidy aho eto fa tsy mba miangavy:
ialahy tsy maintsy “manaja vehivavy”!

Nitiah Nosy
27/02/16
15:30

Photo de Nitiah Nosy - Poeta.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s