08 Mars. « Tsotra fa milay », Nitiah Nosy. « Vehivavy », Christiane Ramian.

 

TSOTSOTRA FA MILAY 

 

Fitafy tsy mba raitra,
natao vikan-jaitra,
sy lamba bemiray:
tsotsotra fa milay!

Volo bango tokana,
tsy naolankolana,
fintinina ho iray:
tsotsotra fa milay!

Endrika miavaka,
tsy laroina ravaka,
mitsiky lava izay:
tsotsotra fa milay!

Maotina fihetsika,
tsy zazavavy pelika,
fa gasy ranoray:
tsotsotra fa milay!

Nitiah Nosy
19/03/15

Photo de Nitiah Nosy - Poeta.

Vehivavy.

Vehivavy no nitondra
Ny ainao ho ety antany
Tsy mba nanana diamondra
Fa hery tenan’izy ihany

Vehivavy no nitia
Nahafoy ny hatanorany
Nahatonga anao ho ety
Ka mba moramora ihany

Vehivavy no nisedra
Nahatonga anao ho olona
Aza dia misetrasetra
Mihevitra anao mpitolona

Vehivavy no nitantana
Nahaizanao nandia ny tany
Izy koa no eo ampatana
Mainty ampototra vilany

Vehivavy asa mafy
Fa ezahina ho mendrika
Na soa na ratsy dia miafy
Miady foana tsy ho rendrika

Vehivavy rehareha
Aza dia manimba tena
Vehivavy mahay mifehy
Taratry ny fahendrena

Isaorana ireo lehilahy
Nahay nitia ireo vehivavy
Andriamanitra hitahy
Anareo tsirairay avy.

‪#‎Vehivavy‬

© Chris. Christiane Ramian.

08/03/2016.

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s