« Ity Firenena ity ve », Manaly. Christiane Ramian, Nitiah Nosy, Mamitiana Randrianarison.

« Ny firenena », Christiane Ramian.

 

Ny firenena

 

Ny firenena anie tsy rova,
Hanjakan’ny olombitsy
Mikasakasa ny handova
Tsy hiala eo mihitsy

Ny firenena tsy lampihazo
Hisehoana sy hilalaovana
Tsy hoe mpitondra dia mahazo
Manao vahoaka ho fitaovana

Ny firenena tsy fanandramana
Fa fampiharana izay hay
Tsy fametrahana izay namana
Sy fanaovana ala safay

Ny firenena tsy azy irery
Fa an’izay mponina ao aminy
Tsy ny fampiharankery
No mahatonga azy ho maminy

Ny firenena anie adidy
Ezaka avy amin’ny rehetra
Tsy hoe vitan’ny mifidy
Fa miasa, mandoa hetra

Ny firenena koa tsy lavaka
Ka hisokiranao harena
Tsy hiasa ianao fa hiravaka
Manampatra fitiavantena

Ny firenena tsy onjampeo
Ka ho lany andro hitatasika
Fa ny tany ngazana eo
Miandry mpiasa, midadasika

Ny firenena tsy manatongotra
Ka hihazakazaka handroso
Fa sandry maro no manongotra
Mahatonga azy hikororoso

Ny firenena koa tsy kamo
Fa ny vahoakany no adala
Mivarilavo sy mimamo
Mpamitaka, mifankahala

Ny firenena mila tantana
Saina matsilo sady marina
Mila sandry, mila vatana
Hiketrika sy hilofo hanarina

Ny firenena aina maro
Aza anaovanao ny ratsy
Aoka izay dia hatsaharo
Fa hanody atsy ho atsy

Na vahoaka na mpitondra
Samia mahitsy fa ela izay
Aza manao lohan’apondra
Sao voadaboka kibay.

Ny firenena

© Chris (Christiane Ramian).

10/03/2016.

« Gasikara, miarena », Nary (Mamitiana Randrianarison).

GASY A…

 

Votsa ve ny saina
Sa hery no tsy ananana
Tsy hahatohitra intsony
Ny tafi-pahavalo
Iry manani-bohitra
Mitena ho malagasy?

Foana ve ny ambo
Sy oitra hanoherana
Ny tsindry hazolena
Sy tsy firaharahiana
Ny fahoriam-bahoaka
Manonitra ny omaly?

Fongana tontolo
Tsy misy na tamingana
Ny entina hamaritana
Ny maha gasy antsika
No izao ireo vahiny
Mitena ho tompon-tany?

Gasy a…
Mifohaza ialahy…

Dimam-polo taona
Foana nandrobana
Ireto fahavalo…
Toa matory ialahy

Ndrao dia sanatria
Ialahy indray no gisitra
Valalan’amboa…
Ka ialahy aza tsy tia?

Gasy a…
Miarena ialahy…

Raiso izato angady
Andao hamadi-bainga
Aza manjoretra
variana manonofy
Ny tokin-dreo adala
Savony vava ireo…

Andao hofongorina
Hatao hazalambo
Ireo zatra ny mitsetsitra
Sy manambaka lava
Variana ny miliba
Ny volantsika ireo

Ampy lesy izay a…

03/02/2016. NARY Mamitiana Randrianarison

« Ahitsio raha diso e! », Nitiah Nosy – Poeta.

Ahitsio raha diso e!

 

Ahitsio raha diso,
ny voalazako eto:
fa rivotra masiso
no mitsoka hatreto!
Gasy mifanenjika,
sy mifanisy ratsy.
Sanatria ny hierika,
fa samy maka ho azy!
Fisainana lomorina,
mifandaka hatrany.
Mifampiolonolona,
manetry ny ambany!
Mody hoe mivavaka,
sy masin-toetra ery;
nefa hay tsy hanahaka,
mpihatsara ivelan-tsihy!
Mitsara, manaratsy;
tia mihotakotaka.
Ka lasa fomba fiady:
ny mifanoso-potaka!
Maloto fomba fiaina,
tsy mihavana intsony.
Sahy mandatsak’aina,
vato hatramin ny fony!

Mampanontany tena:
fiainana mankaiza?
Eh, mampahonena.
toa zaza ratsy taiza!

Nitiah Nosy
26/02/16
15:53

« Teny miakatra », Christiane Ramian.

Teny miakatra

 

Be izay teny efa natao
Sy anatranatra nafarana
Mbola tsy miova ianao
Gisitra amin’ny filaharana

Naka tahaka kabary
Mibodo hevitry ny hafa
Mbola tsy hita izay manjary
Ny vahoaka no mijafajafa

Tetezinao ny tany rehetra
Amidinao izao rehetra izao
Indrisy endrey mitaredretra
Mihemotra ny dianao

Ilaozanareo miady seza
Mifanongana amin’ny sarin’ady
Ny fitondranao tsy mateza
Raha tsisy mpikaraman’ady

Izahonareo mianakavy
Ny any atsimo sy any avaratra
Ianareo endrey matavy
Meva fitafy sy miraratra.

Sanatria ve ianao mpanjaka
Ka mihevitena ho nosorana?
Ka hoe handeha hiorimpaka
Tsy andairandranon’orana?

Tadidio fa hala-petsy
No nahazoanao fahefana
Dimy taona vetivety
Mba vitao izay azo efaina

Ny tsiny anie ho eny aminao
Raha lalaovinao ny ainay
Hafatra tsotra ho anao
Izay milalao afo no may

Iriko ianao tsy hifetifety
Fa mba hitsitsy ireo trosaina
Tsy ho ela dia ho retirety
Ho lavo sady hiala maina

Dia mba hibitsiho Madama
Fa tsy izy no lohan’ny firenena
Aoka hoe ilay akamakama
Sy fanondranam-bolamena

Mba anaro koa ny zanaka
Tsy misy hoe marina azo afenina
Sa tena efa manaranaka
Ny mody moana sy marenina?

Teny miakatra
© Chris. Christiane Ramian.

25/02/2016.

Tononkalo nosoratana hampieritreretina ny Tompon’andraikitra ! Nitiah Nosy

 

Mahereza zandry kely a!

 

Milofo mafy ialahy ry zandry,
“ho avy” ahoana moa no miandry?
Io lalana io hifarana aiza?
Hain’ialahy ve hoe mankaiza?

Tsy kivy ialahy, ekeko izany,
ny eto iaraha-mahita ihany:
fa hanjakan ny misy hapoaka,
hatreto ireo no tafavoaka!

Te hitozo ialahy, tsy halaina!
Lavitr’ihany Ambohitsaina a?
Tantara hafa koa ny eny,
ka dia aleoko tsy miteny!

Izao raha tsorina ny marina:
Ny ambany vitsy no tafarina,
mba milomano ny ho tafita,
fa ny AZY sambo no enti-mita!

Mahereza zandry kely a!
Mianara, dia angony ny hery!
Handresy ny adin’ny tsy rariny,
‘reo fandripandrika velariny!

Nitiah Nosy
01/03/16
07 :25

« Ontany Gasikara… », Nary (Mamitiana Randrianarison).

 

ONTANY GASIKARA…

 

Pitika mihintsana
Poti-barimasaka
Sisa ny anareo…

Sisa mba fameriny
Ambim-bava ihany
No sahaza anareo

Tsindritsindry vorika
Setrasetra etsetra
No atao aminareo

Feno fanambaniana
Sy famingavingana
Ny razanareo…

Eo fa samy mifandritaka
Nataony fihomehezana
Ity ataonareo…

Tsy mety tonga saina…

Tsy mety vory saina…
Tsy hary hisaintsaina
Ilaoza-mitaraina…
Kamo hioitra sa malaina…

Manalasala…

mpitondra adaladala
Io hilaza fa mihatsara
mahita vandy ambara
Angano sy tantara?

Raha mantsy izay ihany…

Toa indray mampanotany…
Ity hoe fanambaràny
Fa hilamina ny tany
Ka anao ny maminany

AHOANA NY HIAFARÀNY…?

NARY (Mamitiana Randrianarison)
23/01/2016

Tezitra amin-dRajao, (Christiane Ramian).

 

Tezitra amin-nRajao.

 

Tezitra aho

Fa ataonao kilalao
Ny ain’ireo vahoaka
Miady mahatanty saoka
Matimaty toa voalavo
Voahosihosy, efa lavo
Tsy hitseranao akory
Ianao miesona matory

Tezitra aho
Fa tsy misy vitanao
Na ezaka hita horaisina
Fa vao mai-mahita faisana
Tsy orinasa, tsy sosialy
Tsy làlana, tsy tribonaly
Ny karamanao mitomboka
Ny asa tsy nisy natomboka

Tezitra aho
Fa ny hainao
Dia nanjera izay nijoro
Nanao ny olona ho dororo
Izay jerena vasavasa
Mihainohaino, tsy miasa
Nomenao vahana ny vola
Namidy hatramin’ny bolabola

Tezitra aho
Fa ianao
Migalabona miaina
Ny olona mitaintaina
Lalaovinao ny fahantrany
Hakana vola ivelany any
Tsy mitondra soa ianao
Fa rehefa tsy hay apetraho…

Tezitra aho
Fa adinonao
Ka raha vaky ny vilany
Aza mody mitomany
Manontania tena ihany
Ny fahaizanao ambany
Ny mpiara-miasa koa aotra
Mialà teo fa misaotra.

Tezitra aho
Fa tsy hitanao
F’ianao indrisy jamba
Difotry ny vola angamba
Tsy mahita ny kere
Na ny rano-kabiné
Efa miditra any ambava
Mbola asianao (..)mbava…

Tezitra aho
Fa ny anao
Ny vola mameno valizy
Ny anao tsy ariary fa devizy
Tsy ho afamaina ianao
Fa miomàna dieny izao
Fa aloanao daholo
Ny halatra sy ny bontolo

Tezitra amin-dRajao

13/02/2016 Chris© (Christiane Ramian).

 

Ra-malagasy, Nary (Mamitiana Randrianarison).

Ravalomanana.

 

Maro ny henjika sy ny eso
Ito isika fa miroso
Tsy mihemotra an-daharana
Ka n’inona n’inona sampanana
Dia dadanay Ravalomanana

Sesin-tany…setrasetra
Fanonganam-panjakana mihitsy
Noho ny fankahalana maro
Nefa am-pon’ireo vahoaka
Tena mbola mahatadidy
Na niezahana hofoanana
Mbola io RAVALOMANANA

13/12/2015. Nary (Mamitiana Randrianarison).

FAKON-DRAMALAGASY

 

Fakofako resaka
Tsipitsipy andraikitra
Fakona mpitondra
Ny asa miha miraikitra

Fakofako hevitra
Kisa velam-pandrika
Fako mihevotrevotra
Salan’isa sandoka

Fakofakon’olona
Noana sy tovetraka
Fakom-piarahamonina
Fakon’hetraketraka

Fakofako tsinjo
Tsy ankijery ho avy
Fakona lanonana
Revo manala azy

Fakofako jery
Tsy jery ireo tsy manana
Fakon-dreo mpiliba
Miliba tsisy farany

Fakofakon-tany
Sisa ny an’ny gasy
Faritan-dreo karàna
Izay manan-taratasy

Sondriana resa-pako
Izao mangasihasy

31/12/2015. NARY (Mamitiana Randrianarison).

« Tsy manan-tsiny », Nitah Nosy-Poeta.

TSY MANAN-TSINY…

 

Zandry a!
Etsy aloha hiakanjoy ‘ty malabariko ity,
mahonena ahy loatra izato ianao mivihivihy!
Havalontsika tsara koa, ireto gony solon-damba,
f’ity ririnina ity ho lavalava ihany angamba!

Eto mitampifimpify am-piandrasana an’i Neny,
‘zaho hitsindroka ny latsaka eny ananonanona eny!
Reraka sy noana indry fa mahandrasa vetivety,
aza mitomany aloha, hiezaka aho hanao ny mety!
…………….
Folakandrom-pahavaratra, nanoram-be tamin’izay,
tokonam-baravaran’olona, nialofantsika mianadahy;
nanontany ahy indry, nifendrofendro sy oriory:
fa nahoana isika zoky, no eny an-tsena no matory?

Niondrika aho tsy nahateny nanatelin-dranomaso,
tsy nampaninona ahy loatra ra’ ny hafitsokin’ny akaso;
f’ity tsy manan-tsiny kely, miaina izato fahoriana,
tsy manam-pidy fa indrisy mizaka ny hazo fijaliana.

Araka ny feo miely sy nolazain’i Neny ahy,
tety an-tsena ihany anie; no nahaterahanay ‘dahy;
‘zay mba ray tsy fantatray fa samihafa ihany koa,
velombelom-poana teny, fiainana kitoatoa!

Ny ho avy aloha hatreto, mbola tsy ho zarizary,
mantsy raha ny sitrakay: dia naleonay tsy ary!
Zanaky ny fahatrana no hany anjara teto an-tany,
ozona sa vitan-dratsy no dia ‘zahay no tojo izany?

Nitiah Nosy
26/06/15
18:55

Zanahary

Flickrhivermind 7

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s