« Iza loatra », Nary (Mamitiana Randrianarison).

IZA LOATRA ?

 

Iza re no fosotra?
Raha toa ilay nantenaina
Hiara-dalana hatrany
Na tsiky na taraina
Na ngidy na mamy
No hoto handavenona
Handrotsaka tomany

Taiza re no lemy?
Lesoka nahapotraka
Raha fitia nadio
Feno fahatsorana
No izao nianjerazera
Tanaty ranom-potaka
Asa ndrao dia sompatra?

Iza ho’aho no diso?
Nandrava ilay fiarahana
Raha toa ka jery alavitra
Niaraha namisavisa
No tanjona nirina
Izao hoe toy ny tsisy
Inay toa mahavariana

Iza re no fosotra?
Fa vaka aho nitadidy
Namerina tsiahy
An-tany nahalavoana
Nandrava ilay antsika
Levon’ny fotoana
Sy any noetin-driaka

 

NARY (Mamitiana Randrianarison)

 

11/03/2016.

 

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s