« Dia hangina ve ? », Nitiah Nosy Poeta.

DIA HANGINA VE?

 

Tsy ho haiko ny hangina na ho mody tsy hahalala,
raha ny olom-boafidy no minia misary adala:
sahy izao manao zinona ny vahoaka izay nifidy,
ny toky izay nifanekena no tsy tratra fa namidy!

Ataoko ahoana ny hikipy anoloan’ny zava-misy:
ry zareo miliba harena, ny vahoaka mitampify!
Efa hiala hatramin’ny aina vao mahita ny ho anjara,
nefa atsy fafy katrana ny vola amina miliara!

Asa re mba rahoviana no hitsikafona ny marina?
Fa harena tsy azy akory no iniany hangalarina!
Ny mitranga eto mantsy dia iaraha-mahalala ihany:
raha ny vola no miteny: ny rariny hafitsaka any!

Raha harena no robaina, atao ahoana : “izay izany!”
F’ity “safidy” nandamoka no mahakivy ambony ihany:
‘lay nantenain-kanirina iny, mainka mampivandravandra,
ka aiza indray no hitaraina, amin’iza no hiandrandra?

Nitiah Nosy
10/06/15
07:59

Photo de Nitiah Nosy - Poeta.
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s