« Ilay mpiasa antranonao », Christiane Ramian.

Ilay mpiasa antranonao.

 

Izaho anie ilay tsotsotra
Tsy manan-java-tsarobidy
Tsy manan-trano tsara voatra
Tsy mba nananjo hifidy

Izaho anie sahirankirana
Efa zatra any aoriana any
Tsy mba fotsy fihodirana
Ilay lazainareo hoe ambany

Izaho anie ilay mpiasa antrano
Voakitakita raha hiresahana
Ilay rahonana hahita angano
Tsy hahita tsihy hihoriranana

Izaho anie miasa ora maro
Tsy misy fetra ny andro iray
Ilay tsy mahazo mifangaro
Maloto hono ny hoditray

Rehefa henoiko nefa ianao
Marary fo nohon’ny vazaha
Fa hoe ataony ankilabao
Sy matahotra tsy sahy

Hay va re maharary anao
Ilay fanavaham-pihaviana
Nefa izaho ataonao
Tsinontsinona batiana?

Izaho koa anie mba gasy
Tsy misy hafa aminao aho
Saingy tsy mahay taratasy
Fa mpanadio ny tranonao

Raha ampianarinao ny saiko
Ho azoko ny baikonao
Ho mora koa ny hanefaiko
Ny asa izay atolotrao

Mety ho afaka hiaraka isika
Hifandray tanana hiady
Ho an’ny tanindrazantsika
Masina sy saropady

Mety ho nofy ihany izany
Fa tsy hifangaro na oviana
Efa voafetra ambony ambany
Ny tany sy ny fihaviana…

Ambany tanàna…

© Chris. Christiane Ramian.

14/03/2016.

 

Photo de Christiane Ramian.
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s