« Aza », Christiane Ramian.

« Aza »

 

Aza miandry olonkafa
Hiasa amin’ny toeranao
Ka hoe izy no hamafa
Ny fako izay nangoninao

Aza mitady hialangalana
Manda tsy manao adidy
Milaza foana fa tsy manana
Nefa avo vava be fandidy

Aza mitady hilanja olana
Raha mora mikonaina
Te hanakatra ny volana
Nefa hita izao fa tsy azo alaina

Aza mibodo ny an’ny sasany
Na tia mihindrana fitafy
K’ianao no hianoka amin’ny asany
Ka izy indray no ndeha hiafy

Aza faly hanosompotaka
Fa tsy hainao izay tena marina
Ny fosa mety hampisahotaka
Tsy zakanao raha fongarina

Aza mihevitra ny harena
Ho namana azo ifaharana
Ka aminy no manantena
Hividy aina sy fandaharana

Aza mihambo ho avo loatra
Ka mihosy ireo ambany
Fa izy ireo raha mitroatra
Hianjera ianao ho ety antany

Aza atsipy ho an’Andriamanitra
Ny ota sy ny hadalàna
Mihirahira ho any andanitra
Nefa tia mihoatra lalàna

Aza misangy hasin’ny hafa
Tia manotanota fady
Ka raha voa mijafajafa
Manozona sy mila ady

Aza ny tranon’ny etsy ampita
No hiasana saina mafy
Ny raharaha ataovy vita
Aza vizana mitady rafy

 

© Chris (Christiane Ramian).

11/03/2013.

 

 

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s