OPK (Opération karana). Antsirabe.

justice_corruption

Rumeur d’OPK : Toutes les boutiques Karana sont fermées tôt ce mardi à Antsirabe

15/03/2016.

Tout est parti d’une histoire d’un garçon porté disparu il y a cinq ans, mais retrouvé dans une circonstance inattendue. Âgé actuellement de 10 ans, le garçon est hospitalisé à l’hôpital de référence régional de Vakinankaratra communément appelé Hôpitaly Atsimo. Comme par hasard, des visiteurs l’ont croisé et l’ont reconnu. Le garçon en question est d’ailleurs habitant du quartier environnant le centre hospitalier.

Ces visiteurs ont immédiatement alerté ses parents. Ces derniers, emportés par l’espoir de retrouvailles, ils ont amené avec eux la copie de la déclaration de disparition pour récupérer leur fils.

Or, contre toute attente, des Karana se sont interposés. Ils ont dit que ce garçon a déjà trouvé des parents adoptifs : Karana. Ils l’auraient récupéré dans un Centre d’orphelinat à la surprise de ses parents biologiques. Ce qui a provoqué une vive altercation entre les deux parties.

Les parents biologiques et les parents adoptifs se battent actuellement en justice pour récupérer l’enfant. Ils sont entendus par les juges cet après-midi même.

Pendant ces temps-là, toutes les boutiques Karana sises à Antsenakely, centre ville d’Antsirabe, sont fermées tôt ce mardi de peur d’une OPK (Opération Karana).

(Photo Sobika)

www.sobikamada.com
Copyright © SobikaMada.com

Photo de Patrick Raharimanana.

VAOVAO TSELATRA ATY ANTSIRABE:

Feno pitandro filaminana ny Tanana ary nihidy avokoa ny akabeazan’ireo fivarotana vaventy teto Antsirabe indrindra ireo KARANA. Hipoka olona iany koa eny aminy Fitsarana eto Antsirabe hatramzao hanoratanay izao noho ny fisiana vaovao hafahafa momba ny zaza anakiray izay hifanolananan’ny olona izay nanao adoption azy sy ireo olona milaza fa Ray amandReniny.

Dimy taona lasa tokoa mantsy izay raha araka ny vaovao vohangona teny dia very ny zanak’i R…..mivady raha sendra nilalao teo antokontany.Natao daholo ny filazana sy fitadiavana fa dia tsy hita ilay Zaza.

Ny andro zoma lasa teo anefa dia sendra nisy fianakaviana’ilay very zaza narary tao aminy Hopitaly atsimo Antsirabe, ary nisy zaza narary koa nifanila fandrina taminy tao. tsikaritran’ilay marary tamizany ary fa toa zanak’ilay havany ity zaza marary eo akaikiny ity ka napandre ireo fianakaviany izy sy ny olona niandry azy teo. Tonga avy hatrany ireo tompona zaza very nanao ny fanamarinana ka tsy nisalasala izy ireo nilaza fa tena zanany tokoa io zaza marary io.

Nampiakatra avy hatrany ny raharaha ho eo ampelatanany Fitsarana sy ny pitandro filaminana moa ireto tompona zaza very ireto ka hatramizao dia mbola tsy vita ny fanadihadiana ao aminy fitsarana.

Ny mahagaga kely fotsiny dia nandeha ny resaka fa rehefa nanontaniana ilay zaza dia milaza fa tsy mahalala ireto niteraka azy…….TANTARA MITOHY

Antsirabe : Zaza tsy hita dimy taona, efa nisoratra tamina teratany karàna

Tsy nitsaharatra nivezivezy nanao fisafoana nanerana ny tanan’Antsirabe ny Emmoreg niampy ireo mpitandro filaminana sy ny orinasa mampiasa ireny mpiambina  ireny teto Antsirabe omaly nanomboka ny tolakandro iny. Tsikaritra koa fa saika nanidy ny fivarotany mialoha avokoa ireo mpivarotra lehibe teratany karàna tao Antsenakely. Izany dia vokatry ny feo niely fa hamaly faty ny andian’olona raha vao tsy mahafa-po azy ireo ny fitsarana eo amina teratany malagasy sy karàna niady zaza. Omaly mantsy no niakatra fitsarana ity raharaha ity. Raha tsiahivina, efa dimy taona lasa izay no nanao filazana sy fitarainana ny fianakaviana malagasy  iray monina eny Andranomandevy Antsirabe  fa very zanaka. Efa natao ny alanenina rehetra sy ny fikarohana nandritra ny taona maro fa tsy nahitam-bokany izany. Efa nionona ny fianakaviana nandritra izay dimy taona izay, satria efa lany aiky tamin’ny fikarohana. Tsy nampoiziny anefa ny zava nitranga , fa tazan’ny havany  teny amin’ny hopitaly ilay zaza tamin’ny alatsinainy lasa teo saingy hataraina ny an’ny fianakaviana fa efa misoratra amina teratany karana ilay zaza. Nanetsika ny fitoriana ireto nitonona ho ray aman-drenin’ilay zaza ka niakatra fitsarana omaly ny raharaha. Araka ny vaovao voaray dia nilaza ireto teratany karana fa manana taratasy mazava tamin’ny nananganany ilay zaza ary nambarany fa nalainy tamina toerana fitazaina zaza sahirana io zaza io, izay marihana fa efa folo taona izy amin’izao. Io no ifandroritan’ny roa tonta eny amin’ny fitsarana omaly tolakandro, hatramin’ny ora nanoratana moa dia tsy mbola nivoaka ny didy.

Andry N. Midi M/kara.

Antsirabe : Karana sy gasy miady zaza, mbola mitohy ny fanadihadiana

Niteraka resa-be tetsy sy teroa, teto Antsirabe hatramin’ny omaly ilay resaka fiadiana zaza ifandroritan’ny teratany Malagasy sy karàna eto Antsirabe. Hatramin’ny omaly hariva moa, dia feno olona tokoa teny amin’ny fitsarana, niandry izay mety ho fizotran’ny raharaha, saingy tsy nisy azo nambara tamin’izany. Mbola mitohy hatramin’izao ny fanadihadiana raha ny fantatra, mba hanaporofoan’ ireo mitonona ho ray aman-dreniny fa azy tokoa ilay zaza. Araka ny fantatra hatrany, tsy ady heloka akory no ifanaovan’ny roa tonta fa ady madio. Raha ny angom-baovao dia ara- dalàna tanteraka ny fahazoan-dalana nahafahan’ireo teratany karàna nanangana ilay zaza ary azy ireo ihany koa ilay toerana fitaizana zaza sahirana nahazoana io zaza io. Andrasan’ny mpanara-baovao noho izany ny mety ho tohin’ny tantara.

Andry N.

 » Laissons la Justice et surtout la Science biologique (ADN)  faire leur travail. SINON !!!  Un affrontement n’est pas à exclure » MCM.

 

Antsirabe Asabotsy

Tsena Sabotsy. Ph MCM 2014.

 

 –

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s