17 Mars 2009. « Indrisy re ry Gasikara », Nitiah Nosy.

INDRISY RE RY GASIKARA

 

Dia nahita atambo hatrany,
midaraboka amin’ny tany.
Tsy fantatra ‘zay tena marina,
zary nofy ny ho tafarina.

Ny tetiky ny olom-bitsy:
hanao azy ho tolo-bidy;
tiany alefa ambongadiny,
dia mody korontaniny.

Ny vahoaka nogejainy,
ary koa nampahantrainy;
nobadoina tsy hivoatra
hamitsa-dava, tsy hitroatra.

Ny harena nogiazany,
nilibany toa fananany.
Tsy niahotra nandroba,
nanao ireny varoboba.

Nefa anie ‘lay Gasikara,
tsy mba lany olon-tsara;
fa raha tsy voatamby vola,
nambanam-basy ka dia tola.

Hevero ihany ‘zay atao,
rà Malagasy no aminao;
atsaharo ny adalana,
mbola eto no hiafarana.

Indrisy re ry Gasikara,
lany vatsy, ratsy fara;
tsy mandohalika akory,
fa nitsinkasina… Natory.

Ry Gasikarako tsy foiko
mitomany anao ny foko
….
Nitiah Nosy
27/05/15
14:07

Photo de Nitiah Nosy - Poeta.

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s