17 Mars 2009. « Fito taona izay ka ahoana? », Christiane Ramian.

« Fito taona izay ka ahoana? »

 

Tamin’izay andro izay
No nampivadika ny lohako,
Ny jiolahy mpandroba indray
No nitokiako sy niantohako
F’ilay niezaka nanarina
Ny firenena mba ho vanona
Noroahiko fa tia ny marina
Izaho anie mba te-hilanona

Nihatrana nirongo basy
Ireo miaramila izay voavidy
Ny Filoha Malagasy
Izay voahosotra, finidy
No nandravany vavahady
Nanafihany ny lapa
Toy ireny an-tany miady
Novoleny tabataba.

Jiolahimboto mpampandihy
No nomeko fahefana
Nojambenany fitia
Ny saiko tsy ho tia lalàna
Ny barofo sy korontana
No nolazainy ho ara penitra
Tifitra sy haromontana
Nampandemeny ahy handefitra

Tsy fihinana ny lalana,
Kanefa iadivana ny fiara
Hahazoana mitsivalana
Ery sy etsy fa nahazo anjara
Notezaina ho tia vola
Ny tanora tia filàna
Vitan’ny angolangola
Ny diploma sy karama.

Fito taona izay lehiretsy
Azonao ilay voninahitra
Ny firenena endrey resy
Gisitra eny ambody fahitra
Ianao mirava-kintana,
Bebe kibo fa tafita,
Mihevitra fa tsara vintana
Miebo tamin’ny zava-bita

Mandry ve ny sainao?
Isaky ny mijery ambany
Fa noho ilay nataonao
No nahapotika ny tany?
Fahavalom-pirenena,
Ny tantara hitsara anao
Ny mandia tany hono lena
Ny ratsy atao hitatao…

Be izay nanao ratsy izay
An’io Tanindrazana io
Anio, ampitso, any andro iray
Mbola ho tratra, tadidio…
Mihodina ilay kodiarana
Anareo aloha androany
Ny tantara mbola hifarana
Diniho kely ny amin’izany.

(Fito taona)

© Chris. Chrisiane Ramian.

16/03/2016.

 

Photo de Christiane Ramian.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s