« Ny ankizy no harena », Christiane Ramian.

Ny ankizy no harena

 

Marina fa ananantsika ny harena ankibon-tany
Ny volamena, ilominita, vatosoa sy mineraly
Verivery, tsy voajery, lanilany foana izany
Any aoriana tako-pery no hameno ny molaly

Fa tsy mba topaza-maso ny hamaroan’ny tanora
Harena voajanahary afa-manodina ny akora
Fianarana mivoana, no atolotra azy ireo,
Ho mpivarotra, hitondra, hibizina rehefa avy eo.

Afarantsika avokoa ny zava-drehetra sy ny vary
Fanafody, hopitaly, landihazo raha marary
Tsy hain’ny zanatsika intsony ny miasa tanana
Nefa azy ireo ny hoavy, ilaina izy mba havanana

Ny tanintsika midadasika aiza irony injeniera
Lasa mitam-birao eran’ny minisitera?
Mirehareha anaty fiara lavitry ny tanimboly
Fa efa zatra vola be dieny mbola tan-tsekoly.

Ny dokotera lasa mpivarotra any anaty hopitaly
Vidiana ny aina fa tsy tanty ny mijery ireo mijaly
Ny mpampianatra tsy hita zara mahavita lesona
Ny polisy raha tsy tolorana dia indrisy miesona

Ny firenena anefa no namatsy ny fianarany,
Ilay firenena osaosa fa nahavita izay anjarany
Rehefa mba tafita anefa d’ilay firenena ihany
No lavahiny robainy, ka hamelona azy hatrany

Be izay diploma izay, nefa inona ny vokatra
Firenena mafy ady, mitraka kely dia potraka
Tsy nohon’ny tanindrazana fa fitiavan-tena
Diso ny programa, diso koa ny fanefena…

Ataovy toy ny harena ny hamaroan’ireo zaza
Eny antsena, ambanivohitra, omeo izay sahaza
Harenantsika izy ireo raha tsy diso izay lalany
Anjarantsika reny izao ny mijery ny anjarany

Aoka izay ny fanesoana ireo zaza manjenjeny
Adidintsika mianakavy ny mitaiza azy ireny
Tsy henatra fa harena, io no tena adidintsika
Hasambarana iraisana ny mahita azy tafita.

Fa ny halatra ataony taratry ny fiainantsika
Ny fahantrana ilomanosany refin’ilay politika
Ny teny ratsy aeliny eny satria tsy nianatra izy
Aza dia jerena fotsiny fa izy anie mbola ankizy

Ny ankizy no harena

© Chris

16/03/2016.

Photo de Christiane Ramian.
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s