« Fa maninona aza ianao R’ilay Madagasikara ? » Christiane Ramian.

Fa maninona aza ianao

 

Fa maninona aza ianao
R’ilay Madagasikara
No mijaly mafy toy izao
Gisi-drambo ety afara
Tsy tafarina mihitsy
Mainka aza toa milentika
Olona toa vitsivitsy
No misehoseho matetika

Anananao tokoa ny harena
Tany tena niangarana
Velarantany tsy hay fefena
Anao irery tsy hitambarana
Anananao ny sandry hiasa
Tsy adino koa ny saina
Ny atidoha tia mikasa
Sy vahoaka tsy be taraina

F’inona aza no tsy ampy?
F’inona no mety ho sakana?
Tany maro no nanampy,
F’ianao ve no miakanakana?
Antsoinao daholo izay mandre
Andriamanitra sy fikambanana
Sikidy, arabo, Dadarabe
Fa tsisy mba nananga-tanana…

Fa ny tena mahavariana
Na mafy aza ny fahantrana
Mahavita fety hifamoriana
Fa tsy mahavita fiovana
Revorevom-pisehoana
Rebirebim-panofisana
Revirevin-kibo noana
Lasa tany tsy itokisana

Dia mbola eto foana isika,
Ny olona efa mikendry lanitra
Tsy mivavaka mihikiaka
Fa manamory sambondanitra
Ny hafa izay madio izany
Efa lasa fomba fiainana
Ny anao fikasana ihany,
Vokatry ny fahalainana

Ny mahamaika anao dia fety
Trano be ho an’ny vahiny
Fa ny tsy mitafo tsy mba mety
Atao antsaina na oviana
Tsy ontsa intsony aho fa lotika
Ianao tsy mba hiova izany,
Toe-tsaina tena potika
Manafosafo vovontany.

Fa inona mihitsy ???

© Chris (Christiane Ramian).

18/03/2016.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s