Hira sy tononkalon’ireo Ray aman-dReny.

Madagasikara-Malagasy.

 

RAY AMAN-DRENY SY ZANAKA : Ny fitaizana no antoky ny fahaiza-miainan’ny ankizy

Amin’ny ankapobeny dia sarotra ny fitaizana ny ankizy sy tanora, eny anivon’ny fiarahamonina.26 juillet 2012

Tsy dia hita taratra loatra intsony ny fahaiza-miaina, indrindra fa ny fifanajana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Na izany aza mbola betsaka ireo ankizy fatra-panaja ray aman-dreny ka na dia efa misy toetra tsy zaka aza dia tsy sahy miteny mihitsy. Ao kosa anefa ireo sahy loatra ka toa tsy misy fifanajana intsony.

Hita soritra izany amin’ny toerana rehetra toy ny ao an-tokantrano, birao fiasana sy ny mpifanolo-bodirindrina. Ireo rehetra ireo no ahitana ny fiainan’ny mpianakavy mikasika io fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka io. Misy ankizy izay tsy sahy mijery na miatrika ny ray aman-dreniny sy ireo mpiray tampoho amin’ny ray aman-dreniny akory na dia hangataka zavatra aza. Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra sy tsy manan-tsafidy izy ireo fa izay lazain’ny lehibe ihany no arahiny sy heveriny fa mety hitondrany ny fiainany. Hany ka lasa tsy mifankahalala intsony izy ireo noho io fitaizana io, izay miankina indrindra amin’ny fomban-drazana.

Marihina fa ny tanindrana no tena manana io fomba io. Matetika dia votery mandainga izy ireny mba hahazoany fankatoavana amin’ny ray aman-dreniny. Na izany aza anefa dia misy kosa ireo izay mifanohitra amin’izany ka tsy fantatra intsony hoe mpianaka no miresaka. Ny sasany aza dia toa zary tsy misy fanajana intsony ka na dia misy vahiny aza dia tsy olana amin’ny ankizy ny mandray ny resaky ny olon-dehibe.

Ireo rehetra ireo dia miankina amin’ny fitaizana avokoa izay andraikitry ny ray aman-dreny tanteraka. Ny tena loza anefa dia misy koa ny ray aman-dreny no diso fitiavana ka lasa ilay zanaka indray no atahorana satria tiana loatra. Betsaka ny zavatra afenina ny zanaka sao mahatezitra azy indray. Eo anatrehan’izany dia tokony handanjalanja izay tokony atao amin’ny fitaizana ihany ny ray aman-dreny, mba hahafahany mandritra ny fifandraisan’ny ankizy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina manodidina azy.

Fety Ino Vaovao.

Relief 3

Peintures et sculptures de Madagascar

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s