« Ziogana krizy », Mamitiana Randrianarison.

ZIOGANA KRIZY

 

Tehamaina indrisy no sisa valinteny
Fa mamo indray ianao niditra an-tokonana
Mantsy izany foana no iainanay ombieny
Lako sy ny vono no tafan’ankohonana

Daroka sy ompa… Fifanomezan-tsiny
Gazetim-piarahamonina ny andavan’androntsika
Indray aleoko miaritra… Mihafy sy mangina
Izay no sisa sehatry ny tokatranontsika

Zary niova ianao… Hatrizay krizy
Very asa isika na efa roa anaka
Ny fiainana ihany koa nihasarotra izay ts’izy
Namidy ny fananana sy kely sisa fanaka

Fa nahoana ianao no zary tia tena?
Izaho ato efa mongon’ny fanasana lamba
Mangitsoka indrisy ny hoavy notefena
Tsy nampoizintsika ny zavatra nitranga

miandrandra aho ny hisian’ny filaminana
Hiverina hisokatra ilay orinasanay
Sitrany mba sitrany, ho andry hiankinana
Atao hakana trosa atsy amin-dRalay

Tenin’Andriamanitra no sisa izao tsianjeriko
Raha mbola misy farany, foana aho manantena
Raha mbola tafatsangana sy ampy koa ny heriko
Ekeko itony zioga nasalotra ny tena

NARY (Mamitiana Randrianarison).
18/03/2016

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s