« Fanahy misavoritaka », Mamitiana Randrianarison.

FANAHY MISAVORITAKA

 

Tsy hoe ianao nifoka
Ka foana izahay hino
Ny rehetra lazainao
Io mitsembo-dratsy
Tsy leo mitatata
tsianjerinao etsetra

Tsy hoe milanja boky
Na koa mitory teny
No hanafenanao
Ireo ditranao ombieny
Vakian’ny fiaraha monina
Efa arakay ireny…

Tsy hoe mamoroporona
Manonona andininy
Dia hoe olom-boaosotra
Nandroso tena ianao
Nanoso-tena ho masina
Apostoly hono e…

Tsy hoe raha mihirahira
amoron-dalana eny
Dia io fa hanadala
Hisarika akama
Hivenjy rehetra eny
Ny aroa efa mangorona

Tsy hoe Rapasitera
No fosotra voalohany
Fa ny tsy fahalalana…
Mitory fahantrana…
Mamoky ny efa voky
Mambotry ny efa gotry

Fa misy jiolahim-boto
Mikenda sy misalotra
Mandango mahafinaritra
Milaza abobo maro
Indray mampifangaro
Ny sain’ireo sahirana

Tsy menatra mandainga
Fa tsy maintsy any aminy
Manaraka ny laminy
Vao hitan’Andriamanitra
Tojo hiratry ny lanitra
Ny fiainan-dreo jinambany

Fanahy misavoritaka
Hay koa nifandipatra
Ny fomba fivavahana
Adino koa ny sahana
Natao mba hivelomana
Toa mamona fironana

NARY. Mamitiana Randrianarison.

21/03/2016.

 

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s