« Hanoratra aho », Nitiah Nosy – poeta.

21 Martsa Andro iraisam-pirenena ho an’ny TONONKALO.

HANORATRA AHO

 

Hanoratra aho ho fiononana.
Hanoratra aho mba hitsikiana.
Hanoratra aho ho fisorohana,
hanamaivanana hakiviana!
Hanoratra aho hifankatiavana.
Hanoratra aho mba hampiarina.
Hanoratra aho mba hitadiavana,
sy hamosahana ny marina!

Fitia natao antsokosoko,
hosoratako avokoa!
‘reo sentom-po sy ny toloko,
saratako hitrakan’ny loha!
Ny adim-pianana lalovana:
hosoratako daholo!
Fo andalam-pahalovana,
soratako mba tsy hikoro!

Hanoratsoratra adalana.
Hanoratra ny rediredy!
Tsy hiraharaha fankahalana!
Tsy hisaina izay mpibedy!
Eny hanoratra ny adiko.
Hanoratra ny fandreseko.
Ny tomany sy ny jaliko,
sy ‘lay fitiavana nekeko!

Dia hotantarain’ny peniko,
izao rehetra hita izao.
Toe-tsaina ombam-pijeriko,
hibaribary eo aminao!

Nitiah Nosy
21/03/16
19:00

 

 

 

 

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s