« Mainty », Christiane Ramian.

Malagasy aho 1

Mainty

 

Mainty aho,
Ka avy ao ambohoka
Dia efa vahona
No mitohoka
Eo ambavan’ny fiainako…

Miandry ahy
Ny fanilihana,
Sy ny ahiahy
Fanarabiana
Fa maloto ny fisainako

Ny voloko ihany
Dia efa ampy
Hilazany
Fa mpanampy
No mba asa azo atao

Ity anarako monja
Dia mety hampivoha
Fa ny sazy sy fonja
Mitatao andoha
Mailo isanandro izao

Raha misy iray
Mety nibirioka
Dia izahay
No maharikoriko
Tsy misy fanavahana

Mangina aloha
Fa tsy natao ho anay
Hatry ny taloha
K’ho mandrakizay
Ny fihavanana

© Chris. Christiane Ramian.

21/03/2016.

Photo de Christiane Ramian.
 –

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s