« Kamo be tenda », Mamitiana Randrianarison.

 

KAMO BE TENDA

 

Ô ry ireto a…
Ianareo ve andeha hiasa!?!
Toa kamo be kinasa
Tsy hanampy hamadi-bainga
Fa faly hamafy lainga
Hanambakana anay
Izay namana hatrizay
Variana ny mamaritra
Be kajy manasarotra
Tsy ketsa iray voatsatoka
Dia efa tapaka hatoka

Oadray leiretsy a…
Ianareo ve andeha hiasa?
Sa mbola hitafatafa
Be resaka sy dinika
Malaina ny hidinitra
mody mieritreritra
Mitady ny hitsetsitra
Hitavana ny vokatra
Kanefa tsy nirotsaka
Nanampy anay akory
Indray manorisory

Azafady kosa e…
Ianareo ve andeha hiasa?
nitakemotra sy lasa
Tsy te hiepa-tanana
Mody famaranana
No indro be safary
Sy io mandoatra vary
Fatsora manambaka
Sy faly te higaka
Izay tsy nisasarana
Izany no nianarana?

Andray ilay toe-tsaina e
Izao no atao hoe miasa?
Raha izao kosa tsy lasa
Toa faly hanilikilika
Dia indreo mitady irika
Fa kamo hioso-potaka
Tsy te andeha hirotsaka
Na vonona hisasatra
Nefa mitaky lafatra
Manajanaja tena
Nefa may ny hanan-karena

NARY (Mamitiana Randrianarison).
20/03/2016

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s