2018, fifidianana. Fanambaranan’Atoa Ravalomanana Marc.

 2018.

Marc Ravalomanana: « kandidà ny antoko TIM amin’ny 2018 aho ary hidina ifotony Hanampy betsaka ireo ben’ny tanàna TIM rehetra indrindra fa Antananarivo Renivohitra ». Zoma masina androany.

Photo de Guy Rivo Randrianarisoa.

Une délégation du PNUD à Faravohitra

par gvalosoa | mar 25, 2016 |

En vue de la préparation des élections présidentielles de 2018, une délégation du PNUD est dans nos murs. Elle a été reçue par le Président Marc Ravalomanana à Faravohitra.

Photo de Malagasy Noverezina ZO.
Photo de Arp Helisoa.

 –

Ravalomanana.

 

Maro ny henjika sy ny eso
Ito isika fa miroso
Tsy mihemotra an-daharana
Ka n’inona n’inona sampanana
Dia dadanay Ravalomanana

Sesin-tany…setrasetra
Fanonganam-panjakana mihitsy
Noho ny fankahalana maro
Nefa am-pon’ireo vahoaka
Tena mbola mahatadidy
Na niezahana hofoanana
Mbola io RAVALOMANANA

13/12/2015. Nary (Mamitiana Randrianarison).

 

Malagasy dia iray ihany Aza mba manaiky zarazaraina izany isika na foko avy aiza no misy anao na faritra avy aiza. Ny fomba mety samy manana ny azy fa iray ny Malagasy. Raha miombona ho iray tokoa isika rehetra dia handroso tsy ho refesi-mandidy i Madagasikara. Malagasy ve ianao –

Ph. Malagasy ve ianao

Filoha Marc Ravalomanana : Kandida ho filohampirenena amin’ny 2018

par gvalosoa | mar 26, 2016

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana, fa ho kandida filoham-pirenena izy amin’ny fifidianana ho avy amin’ny taona 2018, taorian’ny fihaonany tamin’ny delegasiona avy amin’ny PNUD, fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana, manampahaizana mikasika ny resaka fifidianana .
Tao anatin’ny fihaonana dia nanambara mazava tamin’ireo vahiny ny filoha Marc Ravalomanana raha nanontany ny filàn’i Madagasikara mikasika ny fifidianana izy ireo , tokony hisy hoy izy ny fanofanana ho fanatevenana ny fahaiza-manao eo amin’ny mpanao politika Malagasy. Eto Madagasikara mantsy hoy izy dia ny fanaovana politika maloto no hita, manjaka ny kolikoly avo lenta amin’ny fividianana olon’ny antoko iray ho any amin’ny antokon’ny fitondràna .

Ohatra iray no noraisin’ny filoha Marc Ravalomanana , ny ben’ny tanàna eny Ankadikely Ilafy lany tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara izay izy tenany mihintsy no nanao fampielezan-kevitra nampandaniana azy teny an-toerana, nefa amin’izao lasa filohan’ny antoko HVM ao Ankadikely Avaradrano indray , nataon’ity farany izay nahalany azy ho ben’ny Tanàna dia nikopak’elatra izy nefa mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana, izany no toe-tsain’ny mpanao politika sasany. Fa mikasika ny fidinan’ny filoha Marc Ravalomanana miaraka amin’ny ben’ny tanàna tato ho ato dia nahitsy ny teniny fa hanampy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izy mba hanatontosàny ny asa fanarenana an’Antananarivo Renivohitra, ka hampiseho ny fahaiza-manaony izy amin’izany, io ilay antsoina hoe : ho « coach » ny ben’ny tanànan’Antananarivo izy.

Helisoa

http://gvalosoa.com/?p=16058

Marc Ravalomanana : hilatsaka ho fidiana amin’ny 2018

Written by Super User samedi, 26 mars 2016 00:00

Afaka ny ahiahin’ny maro ankehitriny. Tsy mandositra andraikitra ny filoha Marc Ravalomanana rehefa nanao izany fanambaràna izany tao aorian’ny fifampiresahany tamin’ireo solontena avy amin’ny firenena mikambana misahana ny fiifdianana.

Nahoana koa moa izy no tsy hilatsaka, satria zony tanteraka izany indrindra eo anatrehan’ny zava-nitranga tamin’ny 2009 ireny ?

Tsy nisy ny fanajàna ny accords de Cotonou, ary tsy voahaja rahateo koa ny tondrozotra. Tsy resahina akory ny faniliana azy ary tsy nahazony nirotsaka tamin’ny 2013.

Manome fanantenàna lehibe hoan’ireo kivy sy ketraka noho ny zava-misy izany fanapaha-keviny izany ary hoan’ireo izay tsy nitsahatra nitolona ho amin’ny famerenana azy eo amin’ny fitondràna dia toy ny valim-pitia izany. Hoan’ny hafa izay nirohoroho saina dia afaka ny tahotra ka tanjona iray ihany no hiaraha miady : firaisankinan’ny Malagasy no antoka hiatrehana ireo fahavalon’I Madagasikara ka nanapotika azy sy nampiditra azy ao anatin’izao kizo misy azy izao, nanomboka ny 2009 mankàty izao.

Na izany aza dia mbola ho maro ny sakana tsy maintsy hisy, eny fa na dia ireo izay eo amin’ny fitondràna ankehitriny izay tsy maintsy hitady hevi-dratsy mba tsy ahafahany milatsaka.

Dieny izao dia efa mandray fepetra ary mampitandrina ireo mitady hanova ny fitsipi-dalao ka ampiditra sakana anaty lalam-panorenana, hanodinana ankolaka ilay fandraràna ny filatsahany.

Ireo anaty rafitra dia tokony ampiseho avy hatrany ny loza hitatao amin’ny firenena raha mirona amin’izany ilay fanovàna efa natsidik’ilay filohan’ny senat vaovao.

Raha mitady filaminana ny mpitondra dia tsy manakantsakana ny fanehon’ny Malagasy ny safidiny malalaka ary mampiseho fa mahazaka demokrasia tokoa.

Basy atifi-kavana izany ka aseho mialoha mba tsy hisian’ny fahatairana raha toa hipoaka.

Last modified on samedi, 26 mars 2016 10:38

http://www.tim-madagascar.org/…/c…/k2/item/996-ravalomanana…

Photo de Malagasy Noverezina ZO.

Ravalo kandida 2018

Ravalo kandida 2

Ravalo Kandida 3

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s