25 Mars 2016. H. Rajaonarimampianina, je suis le président … « Ho an’Andriamatoa Filoha », Nitiah Nosy. C. Ramian.

Que pourra dire de plus Hery Rajaonarimampianina ?

Selon les informations, Hery Rajaonarimampianina fera une grande déclaration ce jour. Notons que la marge de manœuvre du comptable est limité, l’Etat économique du pays est au plus bas, les ménages ont du mal à joindre les deux bouts, ses proches sont cités dans plusieurs affaires…il ne lui reste plus que la Francophonie qui n’aura aucun impact pour la population ! Maintenant, si c’est pour nous vanter du prochain sommet et de la venue de toutes les personnalités francophones à Madagascar, non merci ! La montagne accouchera d’une souris…

…Tantara hitohy,…

Tsy misy afatsy ny fihaonamben’ny « Francophonie » sy ramatoa Michaelle Jean no misongadina amin’ny ankamaroan’reo gazety sy haino aman-jery eto amitsika. Mazava ho azy fa izay mihitsy no tadiavin’ny fitondrana HVM mba ho hahatakona ny adalana rehetra ataony tsy misy fiafarany . Mihevitre ry zalahy fa ho variana any amin’ity resaka « Francophonie » ity ny Malagasy ary atao mifantoka any amin’dramatoa Michaelle Jean ny sain’ny rehetra kanefa etsy ankilan’izay dia mandeha hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, mitohy ihany ny fampielezan-kevitra miloha ataon’ny HVM any amin’ny faritany, sy ny sisa tsy voatanisa, …

Miezaka mafy ny mpitondra sy ny forongony ankehitriny mandresy lahatra ny vahoaka Malagasy fa tombotsoa lehibe hoan’i Madagasikara ny fandraisana ity fihaonambe ity, satria hono hamorona asa maro sy fotodrafitr’asa vaovao.
Aza manabado ny vahoaka ianareo ao amin’ny fitondrana ao tompoko fa ny olon-drehetra mahalala fa tsy hampitombo ny ao am-bilanin’ny Malagasy izany fa hampitombo ny harenan’ireo vahiny mpandraharaha eto amitsika, izay fantatra tsara fa akamanareo daholo ny ankamaroany ary hampitombo ny fivarotana tanindrazana indray!

Tsaroako ny resaka nataon’i Ramatoa Attalah Béatrice tamin’izay nilaza fa firenena iray dia mety hanofa hatrany amin’ny fiara 4×4 dimam-polo isa amin’io fotoana io, dia mampanontany tena hoe izany ve no fomba entin’io fitondrana HVM io handresena lahatra ny Malagasy?

Fa iza moa no manana fiara 4×4 maro afaka hampanofaina eto amin’ity Madagasikara ity? Moa ve tsy ireo « concessionaire » karana sy frantsay?

Efa zatra mamita-bahoaka tokoa ry Rajao sy ny ekipany ka tsy mahagaga!

Tsy tokony ho gaga intsony isika raha toa mahare na mahita ao arianana kely hoe lasa miliardera i Rakoto na Rabe ao amin’ny HVM na i Rasoa sy Ravao havan’i Rajao satria « occasion » iray lehibe hanaovana bizina ity hoe « sommet de la Francophonie » .

Photo de Rivo Albert.
 –

Manafina hatrany ny fahasahiranam-bahoaka ny fitondrana

par gvalosoa | mar 24, 2016

Gaga ny rehetra naheno fa lasa hoe : traboina noho ny tsy fahampian-tsakafo indray no ilazana ireo vahoaka Malagasy tratry ny kere any Atsimo. Atao maivamaivana ny filaza azy araka ny tatitra natao tamin’ny Filankevitry ny governemanta nosoniavin’ny mpitondra teniny ny minisitry ny fifandraisana Andrianjato Vonison sy ny minisitry ny mponina . Ny mahagaga eto dia ity farany mihintsy no latsa-dranomaso nahita ireo mponina nianjadian’ny fahantrana tany an-toerana tamin’izy ireo nanao be midina tany nanao ny dinika izay eritreretin’ny fitondràna fa hamahàna ny olana any Atsimo, taorian’izay dia toa nangingiana ny mikasika ny mponina tratry ny kere fa toa tsy nisy tohiny.

Ankehitriny, tra-boina noho ny tsy fahampian-tsakafo no iantsoana ireo tratry ny kere , raha alalinina ny tatitry ny filazam-baovao tao anatin’ny Filankevitry ny governementa dia midika fa niala ilany izy ireo araka ny fitenin’ny tanora fa tsy te ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazana mahazo ny mponina any an-toerana , toa milaza izany fa tsy avy aminy no nahatonga ny tsy fahampian-tsakafo any , fa ny tsy fisian’ny orana any no haniliana ny tsy fandraisan’andraikitra . Ity fitondràna ity dia mieritreritra hatrany fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fiainana eto Madagasikara , afenina tsy ho hita ny fahasahiranam-bahoaka . Tsy adala anefa ny rehetra ka tsy ahafantatra ny zava-misy eto , tsy misy zavatra azo takonana izany eto fa tsy maintsy hibaribary ny tsy fetezan-javatra eto amin’ny firenena amin’izao.

http://gvalosoa.com/?p=15923

Photo de Malagasy Noverezina ZO.
Petit Bilan. 

– Keré (famine) dans le Sud. Appel à l’aide international . Publié le

– 2000 mosquées, l’Islam à Madagascar. Publié le

 

 –
Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s